시편 34편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 22절
- 2 Hisaotra an’ i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
- 3 Jehovah no reharehan’ ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.
- 4 Miaraha mankalaza an’ i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
- 5 Mitady an’ i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ ny tahotro rehetra.
- 6 Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.
- 7 Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ ny fahoriany rehetra.
- 8 Ny Anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
- 9 Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
- 10 Matahora an’ i Jehovah, ianareo olony masìna; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
- 11 Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an’ i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
- 12 Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’ i Jehovah no hampianariko anareo.
- 13 Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,
- 14 Dia arovy ny lelanao amin’ ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.
- 15 Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
- 16 Ny mason’ i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
- 17 Ny tavan’ i Jehovah tezitra amin’ ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin’ ny tany ny fahatsiarovana azy.
- 18 Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ ny fahoriany rehetra.
- 19 Akaikin’ izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
- 20 Maro ny fahorian’ ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’ izany rehetra izany.
- 21 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.
- 22 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.
- 23 Fa Jehovah manavotra ny fanahin’ ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗