시편 34편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 22절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | I will bless the Lord at all times: his praise shall continually be in my mouth. |
| 2 | Hisaotra an’ i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. | My soul shall make her boast in the Lord: the humble shall hear thereof, and be glad. |
| 3 | Jehovah no reharehan’ ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay. | O magnify the Lord with me, and let us exalt his name together. |
| 4 | Miaraha mankalaza an’ i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika. | I sought the Lord, and he heard me, and delivered me from all my fears. |
| 5 | Mitady an’ i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ ny tahotro rehetra. | They looked unto him, and were lightened: and their faces were not ashamed. |
| 6 | Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany. | This poor man cried, and the Lord heard him, and saved him out of all his troubles. |
| 7 | Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ ny fahoriany rehetra. | The angel of the Lord encampeth round about them that fear him, and delivereth them. |
| 8 | Ny Anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy. | O taste and see that the Lord is good: blessed is the man that trusteth in him. |
| 9 | Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. | O fear the Lord, ye his saints: for there is no want to them that fear him. |
| 10 | Matahora an’ i Jehovah, ianareo olony masìna; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy. | The young lions do lack, and suffer hunger: but they that seek the Lord shall not want any good thing. |
| 11 | Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an’ i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory. | Come, ye children, hearken unto me: I will teach you the fear of the Lord. |
| 12 | Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’ i Jehovah no hampianariko anareo. | What man is he that desireth life, and loveth many days, that he may see good? |
| 13 | Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa, | Keep thy tongue from evil, and thy lips from speaking guile. |
| 14 | Dia arovy ny lelanao amin’ ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. | Depart from evil, and do good; seek peace, and pursue it. |
| 15 | Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany. | The eyes of the Lord are upon the righteous, and his ears are open unto their cry. |
| 16 | Ny mason’ i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. | The face of the Lord is against them that do evil, to cut off the remembrance of them from the earth. |
| 17 | Ny tavan’ i Jehovah tezitra amin’ ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin’ ny tany ny fahatsiarovana azy. | The righteous cry, and the Lord heareth, and delivereth them out of all their troubles. |
| 18 | Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ ny fahoriany rehetra. | The Lord is nigh unto them that are of a broken heart; and saveth such as be of a contrite spirit. |
| 19 | Akaikin’ izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy. | Many are the afflictions of the righteous: but the Lord delivereth him out of them all. |
| 20 | Maro ny fahorian’ ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’ izany rehetra izany. | He keepeth all his bones: not one of them is broken. |
| 21 | Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza. | Evil shall slay the wicked: and they that hate the righteous shall be desolate. |
| 22 | Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina. | The Lord redeemeth the soul of his servants: and none of them that trust in him shall be desolate. |
| 23 | Fa Jehovah manavotra ny fanahin’ ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL