시편 33편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 22절
- 1 Mihobia ho an’ i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon’ ny olo-mahitsy ny fiderana.
- 2 Miderà an’ i Jehovah amin’ ny lokanga; mankalazà Azy amin’ ny valiha tory folo.
- 3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin’ ny feo fifaliana.
- 4 Fa mahitsy ny tenin’ i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
- 5 Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon’ i Jehovah ny tany.
- 6 Ny tenin’ i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
- 7 Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.
- 8 Aoka hatahotra an’ i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’ izao tontolo izao.
- 9 Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.
- 10 Jehovah mahafoana ny fisainan’ ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
- 11 Ny fisainan’ i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.
- 12 Sambatra ny firenena izay manana an’ i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.
- 13 Eny an-danitra no itsinjovan’ i Jehovah, mijery ny zanak’ olombelona rehetra Izy;
- 14 Eo amin’ ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ ny tany,
- 15 Dia Izy Mpamorona ny fon’ izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.
- 16 Tsy misy mpanjaka voavonjin’ ny hamaroan’ ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin’ ny haben’ ny heriny.
- 17 Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben’ ny heriny.
- 18 Indro, ny mason’ i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,
- 19 mba hanafaka ny fanahiny amin’ ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary.
- 20 Ny fanahintsika miandry an’ i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.
- 21 Fa Izy no ifalian’ ny fontsika, satria ny anarany masìna no itokiantsika.
- 22 Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗