시편 33편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 22절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Mihobia ho an’ i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon’ ny olo-mahitsy ny fiderana. | Rejoice in the Lord, O ye righteous: for praise is comely for the upright. |
| 2 | Miderà an’ i Jehovah amin’ ny lokanga; mankalazà Azy amin’ ny valiha tory folo. | Praise the Lord with harp: sing unto him with the psaltery and an instrument of ten strings. |
| 3 | Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin’ ny feo fifaliana. | Sing unto him a new song; play skilfully with a loud noise. |
| 4 | Fa mahitsy ny tenin’ i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa. | For the word of the Lord is right; and all his works are done in truth. |
| 5 | Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon’ i Jehovah ny tany. | He loveth righteousness and judgment: the earth is full of the goodness of the Lord. |
| 6 | Ny tenin’ i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra. | By the word of the Lord were the heavens made; and all the host of them by the breath of his mouth. |
| 7 | Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy. | He gathereth the waters of the sea together as an heap: he layeth up the depth in storehouses. |
| 8 | Aoka hatahotra an’ i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’ izao tontolo izao. | Let all the earth fear the Lord: let all the inhabitants of the world stand in awe of him. |
| 9 | Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany. | For he spake, and it was done; he commanded, and it stood fast. |
| 10 | Jehovah mahafoana ny fisainan’ ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy. | The Lord bringeth the counsel of the heathen to nought: he maketh the devices of the people of none effect. |
| 11 | Ny fisainan’ i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby. | The counsel of the Lord standeth for ever, the thoughts of his heart to all generations. |
| 12 | Sambatra ny firenena izay manana an’ i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany. | Blessed is the nation whose God is the Lord; and the people whom he hath chosen for his own inheritance. |
| 13 | Eny an-danitra no itsinjovan’ i Jehovah, mijery ny zanak’ olombelona rehetra Izy; | The Lord looketh from heaven; he beholdeth all the sons of men. |
| 14 | Eo amin’ ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ ny tany, | From the place of his habitation he looketh upon all the inhabitants of the earth. |
| 15 | Dia Izy Mpamorona ny fon’ izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra. | He fashioneth their hearts alike; he considereth all their works. |
| 16 | Tsy misy mpanjaka voavonjin’ ny hamaroan’ ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin’ ny haben’ ny heriny. | There is no king saved by the multitude of an host: a mighty man is not delivered by much strength. |
| 17 | Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben’ ny heriny. | An horse is a vain thing for safety: neither shall he deliver any by his great strength. |
| 18 | Indro, ny mason’ i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony, | Behold, the eye of the Lord is upon them that fear him, upon them that hope in his mercy; |
| 19 | mba hanafaka ny fanahiny amin’ ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary. | To deliver their soul from death, and to keep them alive in famine. |
| 20 | Ny fanahintsika miandry an’ i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy. | Our soul waiteth for the Lord: he is our help and our shield. |
| 21 | Fa Izy no ifalian’ ny fontsika, satria ny anarany masìna no itokiantsika. | For our heart shall rejoice in him, because we have trusted in his holy name. |
| 22 | Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao. | Let thy mercy, O Lord, be upon us, according as we hope in thee. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL