시편 27편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 14절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ ny aiko; iza no hangovitako? | The Lord is my light and my salvation; whom shall I fear? the Lord is the strength of my life; of whom shall I be afraid? |
| 2 | Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo. | When the wicked, even mine enemies and my foes, came upon me to eat up my flesh, they stumbled and fell. |
| 3 | Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho. | Though an host should encamp against me, my heart shall not fear: though war should rise against me, in this will I be confident. |
| 4 | Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’ i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’ i Jehovah sy mandinika ny tempoliny. | One thing have I desired of the Lord, that will I seek after; that I may dwell in the house of the Lord all the days of my life, to behold the beauty of the Lord, and to enquire in his temple. |
| 5 | Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin’ ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin’ ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy. | For in the time of trouble he shall hide me in his pavilion: in the secret of his tabernacle shall he hide me; he shall set me up upon a rock. |
| 6 | Koa dia hisandratra ambonin’ ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an’ i Jehovah aho. | And now shall mine head be lifted up above mine enemies round about me: therefore will I offer in his tabernacle sacrifices of joy; I will sing, yea, I will sing praises unto the Lord. |
| 7 | Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho. | Hear, O Lord, when I cry with my voice: have mercy also upon me, and answer me. |
| 8 | Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin’ ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô; | When thou saidst, Seek ye my face; my heart said unto thee, Thy face, Lord, will I seek. |
| 9 | Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy. | Hide not thy face far from me; put not thy servant away in anger: thou hast been my help; leave me not, neither forsake me, O God of my salvation. |
| 10 | Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy. | When my father and my mother forsake me, then the Lord will take me up. |
| 11 | Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin’ ny lalana marina aho noho ny fahavaloko. | Teach me thy way, O Lord, and lead me in a plain path, because of mine enemies. |
| 12 | Aza manolotra ahy ho amin’ ny sitrapon’ ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy. | Deliver me not over unto the will of mine enemies: for false witnesses are risen up against me, and such as breathe out cruelty. |
| 13 | Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan’ i Jehovah amin’ ny tanin’ ny velona. | I had fainted, unless I had believed to see the goodness of the Lord in the land of the living. |
| 14 | Miandrasa an’ i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’ i Jehovah. | Wait on the Lord: be of good courage, and he shall strengthen thine heart: wait, I say, on the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL