시편 28편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 9절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangìna amiko Hianao, dia ho tahaka izay midìna any an-davaka aho. | Unto thee will I cry, O Lord my rock; be not silent to me: lest, if thou be silent to me, I become like them that go down into the pit. |
| 2 | Mihainoa ny feon’ ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin’ ny fitoeranao masìna indrindra aho. | Hear the voice of my supplications, when I cry unto thee, when I lift up my hands toward thy holy oracle. |
| 3 | Aza atao indray manakipaka amin’ ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin’ ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony. | Draw me not away with the wicked, and with the workers of iniquity, which speak peace to their neighbours, but mischief is in their hearts. |
| 4 | Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian’ ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan’ ny tànany, valio izy araka izay iendrehany. | Give them according to their deeds, and according to the wickedness of their endeavours: give them after the work of their hands; render to them their desert. |
| 5 | Fa tsy mihevitra ny asan’ i Jehovah, na ny vitan’ ny tànany, izy, dia horavan’ i Jehovah izy, fa tsy haoriny. | Because they regard not the works of the Lord, nor the operation of his hands, he shall destroy them, and not build them up. |
| 6 | Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon’ ny fifonako Izy. | Blessed be the Lord, because he hath heard the voice of my supplications. |
| 7 | Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian’ ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy. | The Lord is my strength and my shield; my heart trusted in him, and I am helped: therefore my heart greatly rejoiceth; and with my song will I praise him. |
| 8 | Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony. | The Lord is their strength, and he is the saving strength of his anointed. |
| 9 | Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay. | Save thy people, and bless thine inheritance: feed them also, and lift them up for ever. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL