시편 25편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 22절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko. | Unto thee, O Lord, do I lift up my soul. |
| 2 | Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian’ ny fahavaloko aho. | O my God, I trust in thee: let me not be ashamed, let not mine enemies triumph over me. |
| 3 | Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra. | Yea, let none that wait on thee be ashamed: let them be ashamed which transgress without cause. |
| 4 | Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. | Shew me thy ways, O Lord; teach me thy paths. |
| 5 | Tariho amin’ ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro. | Lead me in thy truth, and teach me: for thou art the God of my salvation; on thee do I wait all the day. |
| 6 | Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny. | Remember, O Lord, thy tender mercies and thy lovingkindnesses; for they have been ever of old. |
| 7 | Aza ny fahotan’ ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô, | Remember not the sins of my youth, nor my transgressions: according to thy mercy remember thou me for thy goodness’ sake, O Lord. |
| 8 | Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana. | Good and upright is the Lord: therefore will he teach sinners in the way. |
| 9 | Mitarika ny mpandefitra amin’ ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany. | The meek will he guide in judgment: and the meek will he teach his way. |
| 10 | Ny lalan’ i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin’ izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony. | All the paths of the Lord are mercy and truth unto such as keep his covenant and his testimonies. |
| 11 | Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany. | For thy name’s sake, O Lord, pardon mine iniquity; for it is great. |
| 12 | Iza no lehilahy matahotra an’ i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. | What man is he that feareth the Lord? him shall he teach in the way that he shall choose. |
| 13 | Ny fanahiny hitoetra amin’ ny soa; ary ny taranany handova ny tany. | His soul shall dwell at ease; and his seed shall inherit the earth. |
| 14 | Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy. | The secret of the Lord is with them that fear him; and he will shew them his covenant. |
| 15 | Ny masoko mijery an’ i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ ny fandrika harato. | Mine eyes are ever toward the Lord; for he shall pluck my feet out of the net. |
| 16 | Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra. | Turn thee unto me, and have mercy upon me; for I am desolate and afflicted. |
| 17 | Ny fahorian’ ny foko efa mihalehibe; afaho amin’ ny fahatereko aho. | The troubles of my heart are enlarged: O bring thou me out of my distresses. |
| 18 | Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra. | Look upon mine affliction and my pain; and forgive all my sins. |
| 19 | Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy. | Consider mine enemies; for they are many; and they hate me with cruel hatred. |
| 20 | Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao. | O keep my soul, and deliver me: let me not be ashamed; for I put my trust in thee. |
| 21 | Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho. | Let integrity and uprightness preserve me; for I wait on thee. |
| 22 | Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin’ ny fahoriany rehetra. | Redeem Israel, O God, out of all his troubles. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL