시편 24편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 10절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | An’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. | The earth is the Lord’s, and the fulness thereof; the world, and they that dwell therein. |
| 2 | Fa Izy no nanorina azy tambonin’ ny ranomasina. Tambonin’ ny rano no nampitoerany azy. | For he hath founded it upon the seas, and established it upon the floods. |
| 3 | Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin’ ny fitoerany masìna? | Who shall ascend into the hill of the Lord? or who shall stand in his holy place? |
| 4 | Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ ny lainga, na mianiana hamitaka. | He that hath clean hands, and a pure heart; who hath not lifted up his soul unto vanity, nor sworn deceitfully. |
| 5 | Handray fitahiana avy amin’ i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin’ Andriamanitry ny famonjena azy. | He shall receive the blessing from the Lord, and righteousness from the God of his salvation. |
| 6 | Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba. [Sela.] | This is the generation of them that seek him, that seek thy face, O Jacob. Selah. |
| 7 | Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny mpanjakan’ ny voninahitra. | Lift up your heads, O ye gates; and be ye lift up, ye everlasting doors; and the King of glory shall come in. |
| 8 | Iza izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery. | Who is this King of glory? The Lord strong and mighty, the Lord mighty in battle. |
| 9 | Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny Mpanjakan’ ny voninahitra. | Lift up your heads, O ye gates; even lift them up, ye everlasting doors; and the King of glory shall come in. |
| 10 | Iza ary izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon’ ny maro, Izy no Mpanjakan’ ny voninahitra. [Sela.] | Who is this King of glory? The Lord of hosts, he is the King of glory. Selah. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL