로그인

시편 23편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 6절 · 대역: King James Version

절Baiboly Malagasy (1865)King James Version
1 Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho, The Lord is my shepherd; I shall not want.
2 Mampandry ahy amin’ ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ ny rano fialan-tsasatra Izy. He maketh me to lie down in green pastures: he leadeth me beside the still waters.
3 Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ ny lalan’ ny fahamarinana noho ny anarany Izy. He restoreth my soul: he leadeth me in the paths of righteousness for his name’s sake.
4 Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. Yea, though I walk through the valley of the shadow of death, I will fear no evil: for thou art with me; thy rod and thy staff they comfort me.
5 Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno. Thou preparest a table before me in the presence of mine enemies: thou anointest my head with oil; my cup runneth over.
6 Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin’ ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah andro lava aho. Surely goodness and mercy shall follow me all the days of my life: and I will dwell in the house of the Lord for ever.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL