시편 22편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 31절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | My God, my God, why hast thou forsaken me? why art thou so far from helping me, and from the words of my roaring? |
| 2 | Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin’ ny fitarainako. | O my God, I cry in the daytime, but thou hearest not; and in the night season, and am not silent. |
| 3 | Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho. | But thou art holy, O thou that inhabitest the praises of Israel. |
| 4 | Kanefa masìna Hianao, Ry mipetraka eo ambonin’ ny fideran’ ny Isiraely. | Our fathers trusted in thee: they trusted, and thou didst deliver them. |
| 5 | Hianao no nitokian’ ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao. | They cried unto thee, and were delivered: they trusted in thee, and were not confounded. |
| 6 | Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy. | But I am a worm, and no man; a reproach of men, and despised of the people. |
| 7 | Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan’ olona sy fanevatevam-bahoaka. | All they that see me laugh me to scorn: they shoot out the lip, they shake the head, saying, |
| 8 | Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe: | He trusted on the Lord that he would deliver him: let him deliver him, seeing he delighted in him. |
| 9 | Ankino amin’ i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy. | But thou art he that took me out of the womb: thou didst make me hope when I was upon my mother’s breasts. |
| 10 | Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin’ ny reniko; | I was cast upon thee from the womb: thou art my God from my mother’s belly. |
| 11 | Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao. | Be not far from me; for trouble is near; for there is none to help. |
| 12 | Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy. | Many bulls have compassed me: strong bulls of Bashan have beset me round. |
| 13 | Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin’ i Basana manemitra ahy. | They gaped upon me with their mouths, as a ravening and a roaring lion. |
| 14 | Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy. | I am poured out like water, and all my bones are out of joint: my heart is like wax; it is melted in the midst of my bowels. |
| 15 | Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy. | My strength is dried up like a potsherd; and my tongue cleaveth to my jaws; and thou hast brought me into the dust of death. |
| 16 | Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin’ ny lanilaniko; ao amin’ ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy. | For dogs have compassed me: the assembly of the wicked have inclosed me: they pierced my hands and my feet. |
| 17 | Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan’ ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy | I may tell all my bones: they look and stare upon me. |
| 18 | Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy. | They part my garments among them, and cast lots upon my vesture. |
| 19 | Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny. | But be not thou far from me, O Lord: O my strength, haste thee to help me. |
| 20 | Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy. | Deliver my soul from the sword; my darling from the power of the dog. |
| 21 | Vonjeo amin’ ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin’ ny herin’ ny amboa. | Save me from the lion’s mouth: for thou hast heard me from the horns of the unicorns. |
| 22 | Vonjeo amin’ ny vavan’ ny liona aho; ary valio ho afaka amin’ ny tandroky ny ombimanga. | I will declare thy name unto my brethren: in the midst of the congregation will I praise thee. |
| 23 | Hitory ny anaranao amin’ ny rahalahiko aho; eo amin’ ny fiangonana no hideràko Anao. | Ye that fear the Lord, praise him; all ye the seed of Jacob, glorify him; and fear him, all ye the seed of Israel. |
| 24 | Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, miderà Azy; ry taranak’ i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak’ Isiraely rehetra. | For he hath not despised nor abhorred the affliction of the afflicted; neither hath he hid his face from him; but when he cried unto him, he heard. |
| 25 | Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ ny fahorian’ ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy. | My praise shall be of thee in the great congregation: I will pay my vows before them that fear him. |
| 26 | Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’ izay matahotra an’ i Jehovah. | The meek shall eat and be satisfied: they shall praise the Lord that seek him: your heart shall live for ever. |
| 27 | Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo. | All the ends of the world shall remember and turn unto the Lord: and all the kindreds of the nations shall worship before thee. |
| 28 | Hahatsiaro ka hiverina ho amin’ i Jehovah ny faran’ ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ ny firenen-tsamy hafa. | For the kingdom is the Lord’s: and he is the governor among the nations. |
| 29 | Fa an’ i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin’ ny firenen-tsamy hafa Izy. | All they that be fat upon earth shall eat and worship: all they that go down to the dust shall bow before him: and none can keep alive his own soul. |
| 30 | Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo rehetra ambonin’ ny tany, eo anatrehany no hiondrehan’ izay rehetra efa hidina any amin’ ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy. | A seed shall serve him; it shall be accounted to the Lord for a generation. |
| 31 | Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin’ ny taranaka ho avy. | They shall come, and shall declare his righteousness unto a people that shall be born, that he hath done this. |
| 32 | Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin’ ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL