시편 22편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 31절
- 2 Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin’ ny fitarainako.
- 3 Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
- 4 Kanefa masìna Hianao, Ry mipetraka eo ambonin’ ny fideran’ ny Isiraely.
- 5 Hianao no nitokian’ ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
- 6 Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
- 7 Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan’ olona sy fanevatevam-bahoaka.
- 8 Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
- 9 Ankino amin’ i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.
- 10 Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin’ ny reniko;
- 11 Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.
- 12 Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
- 13 Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin’ i Basana manemitra ahy.
- 14 Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.
- 15 Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
- 16 Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin’ ny lanilaniko; ao amin’ ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
- 17 Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan’ ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy
- 18 Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
- 19 Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.
- 20 Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
- 21 Vonjeo amin’ ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin’ ny herin’ ny amboa.
- 22 Vonjeo amin’ ny vavan’ ny liona aho; ary valio ho afaka amin’ ny tandroky ny ombimanga.
- 23 Hitory ny anaranao amin’ ny rahalahiko aho; eo amin’ ny fiangonana no hideràko Anao.
- 24 Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, miderà Azy; ry taranak’ i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak’ Isiraely rehetra.
- 25 Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ ny fahorian’ ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
- 26 Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’ izay matahotra an’ i Jehovah.
- 27 Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
- 28 Hahatsiaro ka hiverina ho amin’ i Jehovah ny faran’ ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ ny firenen-tsamy hafa.
- 29 Fa an’ i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin’ ny firenen-tsamy hafa Izy.
- 30 Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo rehetra ambonin’ ny tany, eo anatrehany no hiondrehan’ izay rehetra efa hidina any amin’ ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.
- 31 Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin’ ny taranaka ho avy.
- 32 Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin’ ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗