시편 21편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 13절
- 2 Jehovah ô, ny herinao no hifalian’ ny mpanjaka; ary endrey ny haben’ ny hiravoravoany amin’ ny famonjenao!
- 3 Ny nirin’ ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin’ ny molony tsy mba nolavinao. [Sela.]
- 4 Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.
- 5 Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
- 6 Lehibe ny voninahiny amin’ ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
- 7 Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin’ ny tavanao izy.
- 8 Fa ny mpanjaka matoky an’ i Jehovah, ary noho ny famindram-pon’ ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.
- 9 Ho azon’ ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon’ ny tananao ankavanana ny mankahala anao;
- 10 Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin’ ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin’ ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.
- 11 Ny zanany haringanao tsy ho eo amin’ ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin’ ny zanak’ olombelona;
- 12 Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.
- 13 Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.
- 14 Misandrata amin’ ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗