시편 20편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 9절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | The Lord hear thee in the day of trouble; the name of the God of Jacob defend thee; |
| 2 | Hihaino anao anie Jehovah amin’ ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin’ ny avo anie ny anaran’ Andriamanitr’ i Jakoba. | Send thee help from the sanctuary, and strengthen thee out of Zion; |
| 3 | Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ ny fitoerana masìna anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona. | Remember all thy offerings, and accept thy burnt sacrifice; Selah. |
| 4 | Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao. [Sela.] | Grant thee according to thine own heart, and fulfil all thy counsel. |
| 5 | Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra. | We will rejoice in thy salvation, and in the name of our God we will set up our banners: the Lord fulfil all thy petitions. |
| 6 | Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin’ ny anaran’ Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin’ i Jehovah anie ny angatahinao rehetra. | Now know I that the Lord saveth his anointed; he will hear him from his holy heaven with the saving strength of his right hand. |
| 7 | Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin’ ny lanitry ny fahamasinany Izy amin’ ny herin’ ny famonjen’ ny tànany ankavanana. | Some trust in chariots, and some in horses: but we will remember the name of the Lord our God. |
| 8 | Ny sasany mitoky amin’ ny kalesy, ary ny sasany amin’ ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran’ i Jehovah Andriamanitray no hoderainay. | They are brought down and fallen: but we are risen, and stand upright. |
| 9 | Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro, | Save, Lord: let the king hear us when we call. |
| 10 | Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin’ izay andro iantsoanay Azy. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL