시편 19편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 14절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | The heavens declare the glory of God; and the firmament sheweth his handywork. |
| 2 | Ny lanitra mitory ny voninahitr’ Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ ny tànany. | Day unto day uttereth speech, and night unto night sheweth knowledge. |
| 3 | Ny andro samy miteny amin’ ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ ny alina mandimby azy. | There is no speech nor language, where their voice is not heard. |
| 4 | Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony. | Their line is gone out through all the earth, and their words to the end of the world. In them hath he set a tabernacle for the sun, |
| 5 | Efa nivoaka ho any amin’ ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin’ ny faran’ izao rehetra izao. Trano-lay ho an’ ny masoandro no nataony teo aminy; | Which is as a bridegroom coming out of his chamber, and rejoiceth as a strong man to run a race. |
| 6 | Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin’ ny alehany izy. | His going forth is from the end of the heaven, and his circuit unto the ends of it: and there is nothing hid from the heat thereof. |
| 7 | Any amin’ ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin’ ny farany koa, ka tsy misy takona amin’ ny hafanany. | The law of the Lord is perfect, converting the soul: the testimony of the Lord is sure, making wise the simple. |
| 8 | Tsy misy tsiny ny lalàn’ i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’ i Jehovah, mahahendry ny kely saina. | The statutes of the Lord are right, rejoicing the heart: the commandment of the Lord is pure, enlightening the eyes. |
| 9 | Mahitsy ny fandidian’ i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’ i Jehovah, mampahazava ny maso. | The fear of the Lord is clean, enduring for ever: the judgments of the Lord are true and righteous altogether. |
| 10 | Madio ny fahatahorana an’ i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’ i Jehovah, eny, mahitsy avokoa. | More to be desired are they than gold, yea, than much fine gold: sweeter also than honey and the honeycomb. |
| 11 | Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ ny tohotra. | Moreover by them is thy servant warned: and in keeping of them there is great reward. |
| 12 | Ary ny mpanomponao dia hazavain’ ireny; amin’ ny fitandremana azy misy valiny lehibe. | Who can understand his errors? cleanse thou me from secret faults. |
| 13 | Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’ izay ota tsy fantatra. | Keep back thy servant also from presumptuous sins; let them not have dominion over me: then shall I be upright, and I shall be innocent from the great transgression. |
| 14 | Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’ izay fahadisoana lehibe. | Let the words of my mouth, and the meditation of my heart, be acceptable in thy sight, O Lord, my strength, and my redeemer. |
| 15 | Aoka ny tenin’ ny vavako sy ny fisainan’ ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL