시편 18편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 51절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida, mpanompon’ i Jehovah, izay nilaza tamin’ i Jehovah ny tenin’ ity fihirana ity tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tanan’ i Saoly; | I will love thee, O Lord, my strength. |
| 2 | dia hoy izy:― Mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô. | The Lord is my rock, and my fortress, and my deliverer; my God, my strength, in whom I will trust; my buckler, and the horn of my salvation, and my high tower. |
| 3 | Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy. | I will call upon the Lord, who is worthy to be praised: so shall I be saved from mine enemies. |
| 4 | Miantso an’ i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin’ ny fahavaloko. | The sorrows of death compassed me, and the floods of ungodly men made me afraid. |
| 5 | Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy. | The sorrows of hell compassed me about: the snares of death prevented me. |
| 6 | Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. | In my distress I called upon the Lord, and cried unto my God: he heard my voice out of his temple, and my cry came before him, even into his ears. |
| 7 | Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny. | Then the earth shook and trembled; the foundations also of the hills moved and were shaken, because he was wroth. |
| 8 | Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin’ ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah. | There went up a smoke out of his nostrils, and fire out of his mouth devoured: coals were kindled by it. |
| 9 | Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy. | He bowed the heavens also, and came down: and darkness was under his feet. |
| 10 | Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin’ ny tongony. | And he rode upon a cherub, and did fly: yea, he did fly upon the wings of the wind. |
| 11 | Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin’ ny ela-drivotra Izy. | He made darkness his secret place; his pavilion round about him were dark waters and thick clouds of the skies. |
| 12 | Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly rahona matevina. | At the brightness that was before him his thick clouds passed, hail stones and coals of fire. |
| 13 | Ary teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo. | The Lord also thundered in the heavens, and the Highest gave his voice; hail stones and coals of fire. |
| 14 | Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo. | Yea, he sent out his arrows, and scattered them; and he shot out lightnings, and discomfited them. |
| 15 | Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy. | Then the channels of waters were seen, and the foundations of the world were discovered at thy rebuke, O Lord, at the blast of the breath of thy nostrils. |
| 16 | Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin’ ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon’ ny fofonain’ ny vavoronao. | He sent from above, he took me, he drew me out of many waters. |
| 17 | Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ ny rano be Izy; | He delivered me from my strong enemy, and from them which hated me: for they were too strong for me. |
| 18 | Namonjy ahy tamin’ ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’ izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny | They prevented me in the day of my calamity: but the Lord was my stay. |
| 19 | Nisakana ahy tamin’ ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy. | He brought me forth also into a large place; he delivered me, because he delighted in me. |
| 20 | Dia nitondra ahy ho any amin’ ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho. | The Lord rewarded me according to my righteousness; according to the cleanness of my hands hath he recompensed me. |
| 21 | Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan’ ny tanako no namaliany ahy. | For I have kept the ways of the Lord, and have not wickedly departed from my God. |
| 22 | Fa nitandrina ny lalan’ i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’ Andriamanitro; | For all his judgments were before me, and I did not put away his statutes from me. |
| 23 | Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko; | I was also upright before him, and I kept myself from mine iniquity. |
| 24 | Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ ny fahotako; | Therefore hath the Lord recompensed me according to my righteousness, according to the cleanness of my hands in his eyesight. |
| 25 | Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan’ ny tanako teo imasony. | With the merciful thou wilt shew thyself merciful; with an upright man thou wilt shew thyself upright; |
| 26 | Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina; | With the pure thou wilt shew thyself pure; and with the froward thou wilt shew thyself froward. |
| 27 | Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina. | For thou wilt save the afflicted people; but wilt bring down high looks. |
| 28 | Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao. | For thou wilt light my candle: the Lord my God will enlighten my darkness. |
| 29 | Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako. | For by thee I have run through a troop; and by my God have I leaped over a wall. |
| 30 | Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda. | As for God, his way is perfect: the word of the Lord is tried: he is a buckler to all those that trust in him. |
| 31 | Raha ny amin’ Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin’ i Jehovah dia voazaha toetra amin’ ny memy; Jehovah no ampingan’ izay rehetra mialoka aminy. | For who is God save the Lord? or who is a rock save our God? |
| 32 | Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? | It is God that girdeth me with strength, and maketh my way perfect. |
| 33 | Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako. | He maketh my feet like hinds’ feet, and setteth me upon my high places. |
| 34 | Manao ny tongotro ho tahaka ny an’ ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin’ ny fitoerako avo. | He teacheth my hands to war, so that a bow of steel is broken by mine arms. |
| 35 | Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko. | Thou hast also given me the shield of thy salvation: and thy right hand hath holden me up, and thy gentleness hath made me great. |
| 36 | Omenao ahy ny ampingan’ ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy. | Thou hast enlarged my steps under me, that my feet did not slip. |
| 37 | Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro. | I have pursued mine enemies, and overtaken them: neither did I turn again till they were consumed. |
| 38 | Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany. | I have wounded them that they were not able to rise: they are fallen under my feet. |
| 39 | Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin’ ny tongotro izy. | For thou hast girded me with strength unto the battle: thou hast subdued under me those that rose up against me. |
| 40 | Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy. | Thou hast also given me the necks of mine enemies; that I might destroy them that hate me. |
| 41 | Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy. | They cried, but there was none to save them: even unto the Lord, but he answered them not. |
| 42 | Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin’ i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy. | Then did I beat them small as the dust before the wind: I did cast them out as the dirt in the streets. |
| 43 | Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin’ ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy. | Thou hast delivered me from the strivings of the people; and thou hast made me the head of the heathen: a people whom I have not known shall serve me. |
| 44 | Mamonjy ahy amin’ ny fifanoheran’ ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan’ ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy. | As soon as they hear of me, they shall obey me: the strangers shall submit themselves unto me. |
| 45 | Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy. | The strangers shall fade away, and be afraid out of their close places. |
| 46 | Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy. | The Lord liveth; and blessed be my rock; and let the God of my salvation be exalted. |
| 47 | Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy, | It is God that avengeth me, and subdueth the people under me. |
| 48 | Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy. | He delivereth me from mine enemies: yea, thou liftest me up above those that rise up against me: thou hast delivered me from the violent man. |
| 49 | Mamonjy ahy amin’ ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin’ izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin’ ny olon-dozabe. | Therefore will I give thanks unto thee, O Lord, among the heathen, and sing praises unto thy name. |
| 50 | Koa izany no hiderako Anao eny amin’ ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao. | Great deliverance giveth he to his king; and sheweth mercy to his anointed, to David, and to his seed for evermore. |
| 51 | Manao famonjen-dehibe ho an’ ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin’ ny voahosony, dia amin’ i Davida sy ny taranany mandrakizay. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL