시편 17편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 15절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin’ ny fivavako avy amin’ ny molotra tsy misy fitaka. | Hear the right, O Lord, attend unto my cry, give ear unto my prayer, that goeth not out of feigned lips. |
| 2 | Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina. | Let my sentence come forth from thy presence; let thine eyes behold the things that are equal. |
| 3 | Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin’ ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro. | Thou hast proved mine heart; thou hast visited me in the night; thou hast tried me, and shalt find nothing; I am purposed that my mouth shall not transgress. |
| 4 | Ny amin’ ny asan’ ny olona, dia ny tenin’ ny molotrao no nitandremako tsy ho amin’ ny lalan’ ny mpanao an-keriny. | Concerning the works of men, by the word of thy lips I have kept me from the paths of the destroyer. |
| 5 | Ny diako maharitra eo amin’ ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro. | Hold up my goings in thy paths, that my footsteps slip not. |
| 6 | Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko. | I have called upon thee, for thou wilt hear me, O God: incline thine ear unto me, and hear my speech. |
| 7 | Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin’ ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon’ ny fahavalo. | Shew thy marvellous lovingkindness, O thou that savest by thy right hand them which put their trust in thee from those that rise up against them. |
| 8 | Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin’ ny aloky ny elatrao, | Keep me as the apple of the eye, hide me under the shadow of thy wings, |
| 9 | Mba tsy ho azon’ ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy. | From the wicked that oppress me, from my deadly enemies, who compass me about. |
| 10 | Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany. | They are inclosed in their own fat: with their mouth they speak proudly. |
| 11 | Manodidina anay amin’ ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin’ ny tany izahay; | They have now compassed us in our steps: they have set their eyes bowing down to the earth; |
| 12 | Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena. | Like as a lion that is greedy of his prey, and as it were a young lion lurking in secret places. |
| 13 | Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin’ ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon’ ny ratsy fanahy; | Arise, O Lord, disappoint him, cast him down: deliver my soul from the wicked, which is thy sword: |
| 14 | Vonjeo amin’ ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ ny olon’ izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin’ izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an’ ny zanany madinika. | From men which are thy hand, O Lord, from men of the world, which have their portion in this life, and whose belly thou fillest with thy hid treasure: they are full of children, and leave the rest of their substance to their babes. |
| 15 | Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin’ ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha. | As for me, I will behold thy face in righteousness: I shall be satisfied, when I awake, with thy likeness. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL