시편 16편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 11절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho. | Preserve me, O God: for in thee do I put my trust. |
| 2 | Hoy izaho ny amin’ i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao; | O my soul, thou hast said unto the Lord, Thou art my Lord: my goodness extendeth not to thee; |
| 3 | Ary ny amin’ ny olona masìna ambonin’ ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra. | But to the saints that are in the earth, and to the excellent, in whom is all my delight. |
| 4 | Ho be ny fahorian’ izay manova an’ Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin’ ny molotro ny anarany. | Their sorrows shall be multiplied that hasten after another god: their drink offerings of blood will I not offer, nor take up their names into my lips. |
| 5 | Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako. | The Lord is the portion of mine inheritance and of my cup: thou maintainest my lot. |
| 6 | Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho. | The lines are fallen unto me in pleasant places; yea, I have a goodly heritage. |
| 7 | Hisaotra an’ i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ ny alina aza dia mananatra ahy ny foko. | I will bless the Lord, who hath given me counsel: my reins also instruct me in the night seasons. |
| 8 | Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo ankavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. | I have set the Lord always before me: because he is at my right hand, I shall not be moved. |
| 9 | Izany no ifalian’ ny foko sy iravoravoan’ ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy. | Therefore my heart is glad, and my glory rejoiceth: my flesh also shall rest in hope. |
| 10 | Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ ny lavaka Hianao. | For thou wilt not leave my soul in hell; neither wilt thou suffer thine Holy One to see corruption. |
| 11 | Hampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay. | Thou wilt shew me the path of life: in thy presence is fulness of joy; at thy right hand there are pleasures for evermore. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL