시편 15편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 5절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masìna? | Lord, who shall abide in thy tabernacle? who shall dwell in thy holy hill? |
| 2 | Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony; | He that walketh uprightly, and worketh righteousness, and speaketh the truth in his heart. |
| 3 | Tsy manendrikendrika amin’ ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany, | He that backbiteth not with his tongue, nor doeth evil to his neighbour, nor taketh up a reproach against his neighbour. |
| 4 | Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; tsy mivadika amin’ ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, | In whose eyes a vile person is contemned; but he honoureth them that fear the Lord. He that sweareth to his own hurt, and changeth not. |
| 5 | Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina,― izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay. | He that putteth not out his money to usury, nor taketh reward against the innocent. He that doeth these things shall never be moved. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL