시편 14편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 7절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara. | The fool hath said in his heart, There is no God. They are corrupt, they have done abominable works, there is none that doeth good. |
| 2 | Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra. | The Lord looked down from heaven upon the children of men, to see if there were any that did understand, and seek God. |
| 3 | Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza. | They are all gone aside, they are all together become filthy: there is none that doeth good, no, not one. |
| 4 | Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny? | Have all the workers of iniquity no knowledge? who eat up my people as they eat bread, and call not upon the Lord. |
| 5 | Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin’ ny taranaka marina. | There were they in great fear: for God is in the generation of the righteous. |
| 6 | Na dia foananareo aza ny fisainan’ ny ory, Jehovah kosa no arony. | Ye have shamed the counsel of the poor, because the Lord is his refuge. |
| 7 | Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin’ i Jehovah avy amin’ ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely. | Oh that the salvation of Israel were come out of Zion! when the Lord bringeth back the captivity of his people, Jacob shall rejoice, and Israel shall be glad. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL