로그인

시편 150편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 6절 · 대역: King James Version

절Baiboly Malagasy (1865)King James Version
1 Haleloia. Miderà an’ Andriamanitra eo amin’ ny fitoerany masìna. Miderà Azy eo amin’ ny habakabaky ny heriny. Praise ye the Lord. Praise God in his sanctuary: praise him in the firmament of his power.
2 Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben’ ny voninahiny. Praise him for his mighty acts: praise him according to his excellent greatness.
3 Miderà Azy amin’ ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin’ ny valiha sy ny lokanga. Praise him with the sound of the trumpet: praise him with the psaltery and harp.
4 Miderà Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin’ ny zava-maneno tendrena sy ny sodina. Praise him with the timbrel and dance: praise him with stringed instruments and organs.
5 Miderà Azy amin’ ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin’ ny kipantsona tsara feo. Praise him upon the loud cymbals: praise him upon the high sounding cymbals.
6 Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’ i Jehovah. Haleloia. Let every thing that hath breath praise the Lord. Praise ye the Lord.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL