잠언 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 33절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny Ohabolan’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely: | The proverbs of Solomon the son of David, king of Israel; |
| 2 | Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin’ ny fahalalana; | To know wisdom and instruction; to perceive the words of understanding; |
| 3 | Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana; | To receive the instruction of wisdom, justice, and judgment, and equity; |
| 4 | Hanomezam-pahendrena ho an’ ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ ny zatovo. | To give subtilty to the simple, to the young man knowledge and discretion. |
| 5 | Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara; | A wise man will hear, and will increase learning; and a man of understanding shall attain unto wise counsels: |
| 6 | Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin’ ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony. | To understand a proverb, and the interpretation; the words of the wise, and their dark sayings. |
| 7 | Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin’ ny mpanao ratsy. | The fear of the Lord is the beginning of knowledge: but fools despise wisdom and instruction. |
| 8 | Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao; | My son, hear the instruction of thy father, and forsake not the law of thy mother: |
| 9 | Fa fehiloha tsara tarehy amin’ ny lohanao izany, Ary rado amin’ ny vozonao. | For they shall be an ornament of grace unto thy head, and chains about thy neck. |
| 10 | Anaka, raha taomin’ ny mpanota ianao, Aza manaiky. | My son, if sinners entice thee, consent thou not. |
| 11 | Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny; | If they say, Come with us, let us lay wait for blood, let us lurk privily for the innocent without cause: |
| 12 | Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka; | Let us swallow them up alive as the grave; and whole, as those that go down into the pit: |
| 13 | Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika; | We shall find all precious substance, we shall fill our houses with spoil: |
| 14 | Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra: | Cast in thy lot among us; let us all have one purse: |
| 15 | Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin’ ny alehany; | My son, walk not thou in the way with them; refrain thy foot from their path: |
| 16 | Fa ny tongony mihazakazaka ho amin’ ny ratsy Sady faingana handatsa-drà. | For their feet run to evil, and make haste to shed blood. |
| 17 | Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan’ ny vorona. | Surely in vain the net is spread in the sight of any bird. |
| 18 | Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran’ ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy. | And they lay wait for their own blood; they lurk privily for their own lives. |
| 19 | Toy izany no iafaran’ izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain’ izay fatra-pila azy izany. | So are the ways of every one that is greedy of gain; which taketh away the life of the owners thereof. |
| 20 | Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy; | Wisdom crieth without; she uttereth her voice in the streets: |
| 21 | Mitory ao amin’ izay fivorian’ ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan’ ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe: | She crieth in the chief place of concourse, in the openings of the gates: in the city she uttereth her words, saying, |
| 22 | Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian’ ny mpaniratsira amin’ ny faniratsirana, Ary hankahalan’ ny adala ny fahalalana? | How long, ye simple ones, will ye love simplicity? and the scorners delight in their scorning, and fools hate knowledge? |
| 23 | Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko. | Turn you at my reproof: behold, I will pour out my spirit unto you, I will make known my words unto you. |
| 24 | Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina; | Because I have called, and ye refused; I have stretched out my hand, and no man regarded; |
| 25 | Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo: | But ye have set at nought all my counsel, and would none of my reproof: |
| 26 | Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. | I also will laugh at your calamity; I will mock when your fear cometh; |
| 27 | Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana, | When your fear cometh as desolation, and your destruction cometh as a whirlwind; when distress and anguish cometh upon you. |
| 28 | Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho. | Then shall they call upon me, but I will not answer; they shall seek me early, but they shall not find me: |
| 29 | Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an’ i Jehovah, | For that they hated knowledge, and did not choose the fear of the Lord: |
| 30 | Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra, | They would none of my counsel: they despised all my reproof. |
| 31 | Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny. | Therefore shall they eat of the fruit of their own way, and be filled with their own devices. |
| 32 | Fa ny fihemoran’ ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan’ ny adala handringana azy. | For the turning away of the simple shall slay them, and the prosperity of fools shall destroy them. |
| 33 | Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. | But whoso hearkeneth unto me shall dwell safely, and shall be quiet from fear of evil. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL