시편 150편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 6절
- 1 Haleloia. Miderà an’ Andriamanitra eo amin’ ny fitoerany masìna. Miderà Azy eo amin’ ny habakabaky ny heriny.
- 2 Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben’ ny voninahiny.
- 3 Miderà Azy amin’ ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin’ ny valiha sy ny lokanga.
- 4 Miderà Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin’ ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.
- 5 Miderà Azy amin’ ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin’ ny kipantsona tsara feo.
- 6 Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’ i Jehovah. Haleloia.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗