잠언 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 33절
- 1 Ny Ohabolan’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely:
- 2 Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin’ ny fahalalana;
- 3 Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
- 4 Hanomezam-pahendrena ho an’ ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ ny zatovo.
- 5 Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
- 6 Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin’ ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
- 7 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin’ ny mpanao ratsy.
- 8 Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;
- 9 Fa fehiloha tsara tarehy amin’ ny lohanao izany, Ary rado amin’ ny vozonao.
- 10 Anaka, raha taomin’ ny mpanota ianao, Aza manaiky.
- 11 Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
- 12 Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;
- 13 Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
- 14 Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
- 15 Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin’ ny alehany;
- 16 Fa ny tongony mihazakazaka ho amin’ ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.
- 17 Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan’ ny vorona.
- 18 Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran’ ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
- 19 Toy izany no iafaran’ izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain’ izay fatra-pila azy izany.
- 20 Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
- 21 Mitory ao amin’ izay fivorian’ ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan’ ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
- 22 Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian’ ny mpaniratsira amin’ ny faniratsirana, Ary hankahalan’ ny adala ny fahalalana?
- 23 Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
- 24 Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
- 25 Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
- 26 Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.
- 27 Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
- 28 Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
- 29 Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an’ i Jehovah,
- 30 Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
- 31 Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
- 32 Fa ny fihemoran’ ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan’ ny adala handringana azy.
- 33 Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗