시편 148편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 14절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony. | Praise ye the Lord. Praise ye the Lord from the heavens: praise him in the heights. |
| 2 | Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra. | Praise ye him, all his angels: praise ye him, all his hosts. |
| 3 | Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra. | Praise ye him, sun and moon: praise him, all ye stars of light. |
| 4 | Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin’ ny lanitra. | Praise him, ye heavens of heavens, and ye waters that be above the heavens. |
| 5 | Aoka hidera ny anaran’ i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo. | Let them praise the name of the Lord: for he commanded, and they were created. |
| 6 | Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra. | He hath also stablished them for ever and ever: he hath made a decree which shall not pass. |
| 7 | Midera an’ i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra, | Praise the Lord from the earth, ye dragons, and all deeps: |
| 8 | Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny, | Fire, and hail; snow, and vapour; stormy wind fulfilling his word: |
| 9 | Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra, | Mountains, and all hills; fruitful trees, and all cedars: |
| 10 | Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina, | Beasts, and all cattle; creeping things, and flying fowl: |
| 11 | Ny mpanjaka amin’ ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin’ ny tany, | Kings of the earth, and all people; princes, and all judges of the earth: |
| 12 | Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora, | Both young men, and maidens; old men, and children: |
| 13 | Samia midera ny anaran’ i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin’ ny tany sy ny lanitra ny voninahiny. | Let them praise the name of the Lord: for his name alone is excellent; his glory is above the earth and heaven. |
| 14 | Ary manandratra tandroka ho an’ ny olony Izy, Dia fiderana ho an’ ny olony masìna rehetra, Eny, ho an’ ny Zanak’ Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia. | He also exalteth the horn of his people, the praise of all his saints; even of the children of Israel, a people near unto him. Praise ye the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL