시편 145편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 21절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. | I will extol thee, my God, O king; and I will bless thy name for ever and ever. |
| 2 | Hankalaza Anao isan’ andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria. | Every day will I bless thee; and I will praise thy name for ever and ever. |
| 3 | Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany. | Great is the Lord, and greatly to be praised; and his greatness is unsearchable. |
| 4 | Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin’ izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe. | One generation shall praise thy works to another, and shall declare thy mighty acts. |
| 5 | Ny lazan’ ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko. | I will speak of the glorious honour of thy majesty, and of thy wondrous works. |
| 6 | Ny herin’ ny asanao mahatahotra no hotenenin’ ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko. | And men shall speak of the might of thy terrible acts: and I will declare thy greatness. |
| 7 | Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao. | They shall abundantly utter the memory of thy great goodness, and shall sing of thy righteousness. |
| 8 | Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy. | The Lord is gracious, and full of compassion; slow to anger, and of great mercy. |
| 9 | Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin’ ny asany rehetra. | The Lord is good to all: and his tender mercies are over all his works. |
| 10 | Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masìna misaotra Anao. | All thy works shall praise thee, O Lord; and thy saints shall bless thee. |
| 11 | Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao, | They shall speak of the glory of thy kingdom, and talk of thy power; |
| 12 | Mba hampahafantarina ny zanak’ olombelona ny herinao Sy ny haben’ ny voninahitry ny fanjakanao. | To make known to the sons of men his mighty acts, and the glorious majesty of his kingdom. |
| 13 | Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao. | Thy kingdom is an everlasting kingdom, and thy dominion endureth throughout all generations. |
| 14 | Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika. | The Lord upholdeth all that fall, and raiseth up all those that be bowed down. |
| 15 | Ny mason’ izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin’ ny fotoany. | The eyes of all wait upon thee; and thou givest them their meat in due season. |
| 16 | Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra. | Thou openest thine hand, and satisfiest the desire of every living thing. |
| 17 | Marina Jehovah amin’ ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin’ ny asany rehetra. | The Lord is righteous in all his ways, and holy in all his works. |
| 18 | Jehovah dia eo akaikin’ izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. | The Lord is nigh unto all them that call upon him, to all that call upon him in truth. |
| 19 | Hanefa ny irin’ izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy. | He will fulfil the desire of them that fear him: he also will hear their cry, and will save them. |
| 20 | Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany. | The Lord preserveth all them that love him: but all the wicked will he destroy. |
| 21 | Ny fiderana an’ i Jehovah no hotenenin’ ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masìna mandrakizay doria. | My mouth shall speak the praise of the Lord: and let all flesh bless his holy name for ever and ever. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL