시편 14편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 7절
- 1 Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.
- 2 Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra.
- 3 Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
- 4 Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?
- 5 Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin’ ny taranaka marina.
- 6 Na dia foananareo aza ny fisainan’ ny ory, Jehovah kosa no arony.
- 7 Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin’ i Jehovah avy amin’ ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗