시편 130편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Tao amin’ ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô, | Out of the depths have I cried unto thee, O Lord. |
| 2 | Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ ny fifonako. | Lord, hear my voice: let thine ears be attentive to the voice of my supplications. |
| 3 | Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô? | If thou, Lord, shouldest mark iniquities, O Lord, who shall stand? |
| 4 | Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao. | But there is forgiveness with thee, that thou mayest be feared. |
| 5 | Niandry an’ i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako. | I wait for the Lord, my soul doth wait, and in his word do I hope. |
| 6 | Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina. | My soul waiteth for the Lord more than they that watch for the morning: I say, more than they that watch for the morning. |
| 7 | Manantenà an’ i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin’ i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be; | Let Israel hope in the Lord: for with the Lord there is mercy, and with him is plenteous redemption. |
| 8 | Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin’ ny helony rehetra. | And he shall redeem Israel from all his iniquities. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL