시편 127편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 5절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina. | Except the Lord build the house, they labour in vain that build it: except the Lord keep the city, the watchman waketh but in vain. |
| 2 | Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin’ ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an’ ny malalany, na dia matory aza izy. | It is vain for you to rise up early, to sit up late, to eat the bread of sorrows: for so he giveth his beloved sleep. |
| 3 | Indro, lova avy amin’ i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo. | Lo, children are an heritage of the Lord: and the fruit of the womb is his reward. |
| 4 | Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana. | As arrows are in the hand of a mighty man; so are children of the youth. |
| 5 | Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin’ ny fahavalo eo am-bavahady. | Happy is the man that hath his quiver full of them: they shall not be ashamed, but they shall speak with the enemies in the gate. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL