시편 126편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 6절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Fony Jehovah nampody an’ i Ziona avy tamin’ ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika. | When the Lord turned again the captivity of Zion, we were like them that dream. |
| 2 | Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin’ ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho an’ ireny. | Then was our mouth filled with laughter, and our tongue with singing: then said they among the heathen, The Lord hath done great things for them. |
| 3 | Eny, zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika. | The Lord hath done great things for us; whereof we are glad. |
| 4 | Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin’ ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan’ ny riaka any amin’ ny tany atsimo. | Turn again our captivity, O Lord, as the streams in the south. |
| 5 | Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana. | They that sow in tears shall reap in joy. |
| 6 | Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ ny fihobiana kosa. | He that goeth forth and weepeth, bearing precious seed, shall doubtless come again with rejoicing, bringing his sheaves with him. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL