로그인

시편 124편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절

  1. 1 Raha tsy Jehovah no nomba antsika,― Eny, aoka hataon’ ny Isiraely hoe:
  2. 2 Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.
  3. 3 Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
  4. 4 Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;
  5. 5 Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.
  6. 6 Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin’ ny nifiny.
  7. 7 Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin’ ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika.
  8. 8 Ny famonjena antsika dia amin’ ny anaran’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗