로그인

시편 125편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 5절

  1. 1 Izay matoky an’ i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay.
  2. 2 Tahaka ny tendrombohitra manodidina an’ i Jerosalema No anodidinan’ i Jehovah ny olony Hatramin’ izao ka ho mandrakizay
  3. 3 Fa tsy hitoetra eo amin’ ny anjaran’ ny marina ny tehim-panjakan’ ny ratsy fanahy, Fandrao ny marina haninjitra ny tànany hanendry zava-dratsy.
  4. 4 Jehovah ô, manaova soa amin’ ny tsara Sy ny mahitsy fo.
  5. 5 Fa izay mivily ho amin’ ny sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin’ i Jehovah miaraka amin’ ny mpanao ratsy anie. Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗