시편 124편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Raha tsy Jehovah no nomba antsika,― Eny, aoka hataon’ ny Isiraely hoe: | If it had not been the Lord who was on our side, now may Israel say; |
| 2 | Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona. | If it had not been the Lord who was on our side, when men rose up against us: |
| 3 | Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany; | Then they had swallowed us up quick, when their wrath was kindled against us: |
| 4 | Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka; | Then the waters had overwhelmed us, the stream had gone over our soul: |
| 5 | Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka. | Then the proud waters had gone over our soul. |
| 6 | Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin’ ny nifiny. | Blessed be the Lord, who hath not given us as a prey to their teeth. |
| 7 | Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin’ ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika. | Our soul is escaped as a bird out of the snare of the fowlers: the snare is broken, and we are escaped. |
| 8 | Ny famonjena antsika dia amin’ ny anaran’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. | Our help is in the name of the Lord, who made heaven and earth. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL