시편 118편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 29절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony. | O give thanks unto the Lord; for he is good: because his mercy endureth for ever. |
| 2 | Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. | Let Israel now say, that his mercy endureth for ever. |
| 3 | Aoka ny taranak’ i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. | Let the house of Aaron now say, that his mercy endureth for ever. |
| 4 | Aoka izay matahotra an’ i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. | Let them now that fear the Lord say, that his mercy endureth for ever. |
| 5 | Tao an-katerena no niantsoako an’ i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy. | I called upon the Lord in distress: the Lord answered me, and set me in a large place. |
| 6 | Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ ny olona atao amiko? | The Lord is on my side; I will not fear: what can man do unto me? |
| 7 | Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin’ izay mankahala ahy. | The Lord taketh my part with them that help me: therefore shall I see my desire upon them that hate me. |
| 8 | Tsara ny mialoka amin’ i Jehovah Noho ny mialoka amin’ ny olona. | It is better to trust in the Lord than to put confidence in man. |
| 9 | Tsara ny matoky an’ i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka. | It is better to trust in the Lord than to put confidence in princes. |
| 10 | Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa; | All nations compassed me about: but in the name of the Lord will I destroy them. |
| 11 | Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa. | They compassed me about; yea, they compassed me about: but in the name of the Lord I will destroy them. |
| 12 | Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa. | They compassed me about like bees; they are quenched as the fire of thorns: for in the name of the Lord I will destroy them. |
| 13 | Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy. | Thou hast thrust sore at me that I might fall: but the Lord helped me. |
| 14 | Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy. | The Lord is my strength and song, and is become my salvation. |
| 15 | Ao an-dain’ ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery; | The voice of rejoicing and salvation is in the tabernacles of the righteous: the right hand of the Lord doeth valiantly. |
| 16 | Ny tanana ankavanan’ i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery. | The right hand of the Lord is exalted: the right hand of the Lord doeth valiantly. |
| 17 | Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan’ i Jehovah. | I shall not die, but live, and declare the works of the Lord. |
| 18 | Nofaizan’ i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin’ ny fahafatesana. | The Lord hath chastened me sore: but he hath not given me over unto death. |
| 19 | Vohay ny vavahadin’ ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an’ i Jehovah. | Open to me the gates of righteousness: I will go into them, and I will praise the Lord: |
| 20 | Ity no vavahadin’ i Jehovah; Ny marina no hiditra eo. | This gate of the Lord, into which the righteous shall enter. |
| 21 | Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy. | I will praise thee: for thou hast heard me, and art become my salvation. |
| 22 | Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra. | The stone which the builders refused is become the head stone of the corner. |
| 23 | Avy tamin’ i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika. | This is the Lord’s doing; it is marvellous in our eyes. |
| 24 | Ity no andro nataon’ i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin’ izao isika. | This is the day which the Lord hath made; we will rejoice and be glad in it. |
| 25 | Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è! | Save now, I beseech thee, O Lord: O Lord, I beseech thee, send now prosperity. |
| 26 | Hotahina anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah; Avy ao an-tranon’ i Jehovah no itsofanay rano anareo. | Blessed be he that cometh in the name of the Lord: we have blessed you out of the house of the Lord. |
| 27 | Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin’ ny tandroky ny alitara aza. | God is the Lord, which hath shewed us light: bind the sacrifice with cords, even unto the horns of the altar. |
| 28 | Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho. | Thou art my God, and I will praise thee: thou art my God, I will exalt thee. |
| 29 | Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony. | O give thanks unto the Lord; for he is good: for his mercy endureth for ever. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL