시편 115편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 18절
- 1 Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
- 2 Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?
- 3 Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
- 4 Volafotsy sy volamena ny sampin’ ireny, Asan’ ny tanan’ olona:
- 5 Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
- 6 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:
- 7 Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
- 8 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
- 9 Ry Isiraely ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
- 10 Ry taranak’ i Arona ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
- 11 Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
- 12 Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak’ i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak’ i Arona Izy;
- 13 Hotahiny izay matahotra an’ i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.
- 14 Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin’ ny zanakareo.
- 15 Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
- 16 Ny lanitra dia an’ i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an’ ny zanak’ olombelona.
- 17 Ny maty tsy mba hidera an’ i Jehovah. Na izay midìna any amin’ ny mangingina;
- 18 Fa izahay hisaotra an’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay. Haleloia.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗