시편 116편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 19절
- 1 Izaho tia an’ i Jehovah, satria efa nandre Ny feon’ ny fifonako Izy.
- 2 Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
- 3 Nihodidina tamiko ny famatoran’ ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian’ ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho.
- 4 Dia niantso ny anaran’ i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.
- 5 Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.
- 6 Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.
- 7 Miverena ho amin’ ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,
- 8 Dia namonjy ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin’ ny ranomaso Ary ny tongotro tamin’ ny fahatafintohinana.
- 9 Handeha eo anatrehan’ i Jehovah Eo amin’ ny tanin’ ny velona aho.
- 10 Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho.
- 11 Hoy izaho tamin’ ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.
- 12 Inona no havaliko an’ i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
- 13 Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran’ i Jehovah.
- 14 Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra.
- 15 Zava-dehibe eo imason’ i Jehovah Ny fahafatesan’ ny olony masìna.
- 16 Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao.
- 17 Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran’ i Jehovah no hantsoiko.
- 18 Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra,
- 19 Dia eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗