시편 114편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak’ i Jakoba avy tany amin’ ny firenena hafa fiteny, | When Israel went out of Egypt, the house of Jacob from a people of strange language; |
| 2 | Joda no fitoerany masìna, Isiraely no fanjakany. | Judah was his sanctuary, and Israel his dominion. |
| 3 | Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana. | The sea saw it, and fled: Jordan was driven back. |
| 4 | Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak’ ondry. | The mountains skipped like rams, and the little hills like lambs. |
| 5 | Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika ianao? | What ailed thee, O thou sea, that thou fleddest? thou Jordan, that thou wast driven back? |
| 6 | Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana, tahaka ny zanak’ ondry? | Ye mountains, that ye skipped like rams; and ye little hills, like lambs? |
| 7 | Mihorohoroa eo anatrehan’ ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Jakoba. | Tremble, thou earth, at the presence of the Lord, at the presence of the God of Jacob; |
| 8 | Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano. | Which turned the rock into a standing water, the flint into a fountain of waters. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL