시편 113편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 9절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah, Miderà ny anaran’ i Jehovah. | Praise ye the Lord. Praise, O ye servants of the Lord, praise the name of the Lord. |
| 2 | Isaorana anie ny anaran’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay. | Blessed be the name of the Lord from this time forth and for evermore. |
| 3 | Hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany No hoderaina anie ny anaran’ i Jehovah. | From the rising of the sun unto the going down of the same the Lord’s name is to be praised. |
| 4 | Avo ambonin’ ny jentilisa Jehovah; Ambonin’ ny lanitra ny voninahiny. | The Lord is high above all nations, and his glory above the heavens. |
| 5 | Iza no tahaka an’ i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ ny avo, | Who is like unto the Lord our God, who dwelleth on high, |
| 6 | Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany? | Who humbleth himself to behold the things that are in heaven, and in the earth! |
| 7 | Manangana ny malahelo hiala amin’ ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ ny zezika, | He raiseth up the poor out of the dust, and lifteth the needy out of the dunghill; |
| 8 | Mba hametraka azy ho naman’ ny mpanapaka ny olony. | That he may set him with princes, even with the princes of his people. |
| 9 | Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia. | He maketh the barren woman to keep house, and to be a joyful mother of children. Praise ye the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL