시편 111편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 10절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Haleloia. Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho, Eo amin’ ny fivorian’ ny marina sy ny fiangonan-dehibe. | Praise ye the Lord. I will praise the Lord with my whole heart, in the assembly of the upright, and in the congregation. |
| 2 | Lehibe ny asan’ i Jehovah, Ka dinihin’ izay rehetra mankasitraka azy. | The works of the Lord are great, sought out of all them that have pleasure therein. |
| 3 | Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay. | His work is honourable and glorious: and his righteousness endureth for ever. |
| 4 | Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah. | He hath made his wonderful works to be remembered: the Lord is gracious and full of compassion. |
| 5 | Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny. | He hath given meat unto them that fear him: he will ever be mindful of his covenant. |
| 6 | Ny herin’ ny asany nasehony tamin’ ny olony. Tamin’ ny nanomezany azy ny lovan’ ny jentilisa. | He hath shewed his people the power of his works, that he may give them the heritage of the heathen. |
| 7 | Ny asan’ ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra; | The works of his hands are verity and judgment; all his commandments are sure. |
| 8 | Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana. | They stand fast for ever and ever, and are done in truth and uprightness. |
| 9 | Manatitra fanavotana ho an’ ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masìna sy mahatahotra ny anarany. | He sent redemption unto his people: he hath commanded his covenant for ever: holy and reverend is his name. |
| 10 | Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’ izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy. | The fear of the Lord is the beginning of wisdom: a good understanding have all they that do his commandments: his praise endureth for ever. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL