시편 110편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 7절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. | The Lord said unto my Lord, Sit thou at my right hand, until I make thine enemies thy footstool. |
| 2 | Ny tehin’ ny herinao Havoak’ i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin’ ny fahavalonao Hianao. | The Lord shall send the rod of thy strength out of Zion: rule thou in the midst of thine enemies. |
| 3 | Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ ny andro anafihanao; Amin’ ny fihaingoana masìna, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao. | Thy people shall be willing in the day of thy power, in the beauties of holiness from the womb of the morning: thou hast the dew of thy youth. |
| 4 | Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka. | The Lord hath sworn, and will not repent, Thou art a priest for ever after the order of Melchizedek. |
| 5 | Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ ny andron’ ny fahatezerany | The Lord at thy right hand shall strike through kings in the day of his wrath. |
| 6 | Hitsara any amin’ ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona any amin’ ny tany malalaka Izy. | He shall judge among the heathen, he shall fill the places with the dead bodies; he shall wound the heads over many countries. |
| 7 | Hisotro amin’ ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan’ ny lohany. | He shall drink of the brook in the way: therefore shall he lift up the head. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL