시편 109편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 31절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ry Andriamanitra fidèrako ô, aza mangìna Hianao, | Hold not thy peace, O God of my praise; |
| 2 | Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin’ ny lela mandainga izy. | For the mouth of the wicked and the mouth of the deceitful are opened against me: they have spoken against me with a lying tongue. |
| 3 | Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy. | They compassed me about also with words of hatred; and fought against me without a cause. |
| 4 | Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka. | For my love they are my adversaries: but I give myself unto prayer. |
| 5 | Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana. | And they have rewarded me evil for good, and hatred for my love. |
| 6 | Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany. | Set thou a wicked man over him: and let Satan stand at his right hand. |
| 7 | Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana. | When he shall be judged, let him be condemned: and let his prayer become sin. |
| 8 | Aoka ho vitsy ny androny; Ary aoka ho lasan’ olon-kafa ny anjara raharahany. | Let his days be few; and let another take his office. |
| 9 | Aoka ho kamboty ny zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny | Let his children be fatherless, and his wife a widow. |
| 10 | Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy. | Let his children be continually vagabonds, and beg: let them seek their bread also out of their desolate places. |
| 11 | Aoka ny mpampanàna vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry ny asany. | Let the extortioner catch all that he hath; and let the strangers spoil his labour. |
| 12 | Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty. | Let there be none to extend mercy unto him: neither let there be any to favour his fatherless children. |
| 13 | Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin’ ny taranaka mandimby ny anarany. | Let his posterity be cut off; and in the generation following let their name be blotted out. |
| 14 | Aoka hotsarovan’ i Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny. | Let the iniquity of his fathers be remembered with the Lord; and let not the sin of his mother be blotted out. |
| 15 | Aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin’ ny tany anie ny fahatsiarovana azy. | Let them be before the Lord continually, that he may cut off the memory of them from the earth. |
| 16 | Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka am-po mba hahafaty azy; | Because that he remembered not to shew mercy, but persecuted the poor and needy man, that he might even slay the broken in heart. |
| 17 | Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany. | As he loved cursing, so let it come unto him: as he delighted not in blessing, so let it be far from him. |
| 18 | Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin’ ny taolany tahaka ny diloilo; | As he clothed himself with cursing like as with his garment, so let it come into his bowels like water, and like oil into his bones. |
| 19 | Dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva. | Let it be unto him as the garment which covereth him, and for a girdle wherewith he is girded continually. |
| 20 | Izany no famaliana avy amin’ i Jehovah ho an’ ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy. | Let this be the reward of mine adversaries from the Lord, and of them that speak evil against my soul. |
| 21 | Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny famindram-ponao. | But do thou for me, O God the Lord, for thy name’s sake: because thy mercy is good, deliver thou me. |
| 22 | Fa mahantra sy malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko. | For I am poor and needy, and my heart is wounded within me. |
| 23 | Lasa tahaka ny aloka mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho. | I am gone like the shadow when it declineth: I am tossed up and down as the locust. |
| 24 | Efa malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin’ ny nofoko. | My knees are weak through fasting; and my flesh faileth of fatness. |
| 25 | Ary izaho dia tonga fandatsan’ ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha. | I became also a reproach unto them: when they looked upon me they shaked their heads. |
| 26 | Ampio aho Jehovah Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho; | Help me, O Lord my God: O save me according to thy mercy: |
| 27 | Ary aoka ho fantany fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany. | That they may know that this is thy hand; that thou, Lord, hast done it. |
| 28 | Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao. | Let them curse, but bless thou: when they arise, let them be ashamed; but let thy servant rejoice. |
| 29 | Mitafy henatra ny fahavaloko Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba. | Let mine adversaries be clothed with shame, and let them cover themselves with their own confusion, as with a mantle. |
| 30 | Hidera an’ i Jehovah indrindra amin’ ny vavako aho; Eny, eo amin’ ny olona maro no hiderako Azy. | I will greatly praise the Lord with my mouth; yea, I will praise him among the multitude. |
| 31 | Fa mitsangana eo ankavanan’ ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin’ izay manameloka ny fanahiny. | For he shall stand at the right hand of the poor, to save him from those that condemn his soul. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL