시편 107편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 43절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony. | O give thanks unto the Lord, for he is good: for his mercy endureth for ever. |
| 2 | Aoka hanao izany ny navotan’ i Jehovah, Dia izay navotany ho afaka tamin’ ny tanan’ ny fahavalo, | Let the redeemed of the Lord say so, whom he hath redeemed from the hand of the enemy; |
| 3 | Sy nangoniny avy tany amin’ ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin’ ny ranomasina. | And gathered them out of the lands, from the east, and from the west, from the north, and from the south. |
| 4 | Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana. | They wandered in the wilderness in a solitary way; they found no city to dwell in. |
| 5 | Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny, | Hungry and thirsty, their soul fainted in them. |
| 6 | Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny; | Then they cried unto the Lord in their trouble, and he delivered them out of their distresses. |
| 7 | Dia nitondra azy tamin’ ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin’ izay tanàna honenana. | And he led them forth by the right way, that they might go to a city of habitation. |
| 8 | Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona! | Oh that men would praise the Lord for his goodness, and for his wonderful works to the children of men! |
| 9 | Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa. | For he satisfieth the longing soul, and filleth the hungry soul with goodness. |
| 10 | Izay nipetraka tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy, | Such as sit in darkness and in the shadow of death, being bound in affliction and iron; |
| 11 | Satria nandà ny tenin’ Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra; | Because they rebelled against the words of God, and contemned the counsel of the most High: |
| 12 | Dia nampietreny tamin’ ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy; | Therefore he brought down their heart with labour; they fell down, and there was none to help. |
| 13 | Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny. | Then they cried unto the Lord in their trouble, and he saved them out of their distresses. |
| 14 | Nitondra azy nivoaka avy tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany. | He brought them out of darkness and the shadow of death, and brake their bands in sunder. |
| 15 | Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona! | Oh that men would praise the Lord for his goodness, and for his wonderful works to the children of men! |
| 16 | Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny. | For he hath broken the gates of brass, and cut the bars of iron in sunder. |
| 17 | Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony: | Fools because of their transgression, and because of their iniquities, are afflicted. |
| 18 | Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin’ ny fahafatesana izy. | Their soul abhorreth all manner of meat; and they draw near unto the gates of death. |
| 19 | Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny. | Then they cry unto the Lord in their trouble, and he saveth them out of their distresses. |
| 20 | Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin’ ny longoa nianjerany. | He sent his word, and healed them, and delivered them from their destructions. |
| 21 | Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona! | Oh that men would praise the Lord for his goodness, and for his wonderful works to the children of men! |
| 22 | Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin’ ny fihobiana. | And let them sacrifice the sacrifices of thanksgiving, and declare his works with rejoicing. |
| 23 | Izay midìna any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin’ ny rano lehibe | They that go down to the sea in ships, that do business in great waters; |
| 24 | No mahita ny asan’ i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin’ ny rano lalina. | These see the works of the Lord, and his wonders in the deep. |
| 25 | Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano; | For he commandeth, and raiseth the stormy wind, which lifteth up the waves thereof. |
| 26 | Niakatra hatramin’ ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin’ ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana. | They mount up to the heaven, they go down again to the depths: their soul is melted because of trouble. |
| 27 | Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra. | They reel to and fro, and stagger like a drunken man, and are at their wits’ end. |
| 28 | Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin’ ny fahatereny Izy. | Then they cry unto the Lord in their trouble, and he bringeth them out of their distresses. |
| 29 | Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano. | He maketh the storm a calm, so that the waves thereof are still. |
| 30 | Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin’ ny fitodiana niriny izy. | Then are they glad because they be quiet; so he bringeth them unto their desired haven. |
| 31 | Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona! | Oh that men would praise the Lord for his goodness, and for his wonderful works to the children of men! |
| 32 | Ary aoka hanandratra Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona izy Ka hidera Azy eo amin’ ny fipetrahan’ ny loholona. | Let them exalt him also in the congregation of the people, and praise him in the assembly of the elders. |
| 33 | Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana, | He turneth rivers into a wilderness, and the watersprings into dry ground; |
| 34 | Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian’ ny mponina eo. | A fruitful land into barrenness, for the wickedness of them that dwell therein. |
| 35 | Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano, | He turneth the wilderness into a standing water, and dry ground into watersprings. |
| 36 | Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana; | And there he maketh the hungry to dwell, that they may prepare a city for habitation; |
| 37 | Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be. | And sow the fields, and plant vineyards, which may yield fruits of increase. |
| 38 | Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny. | He blesseth them also, so that they are multiplied greatly; and suffereth not their cattle to decrease. |
| 39 | Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo. | Again, they are minished and brought low through oppression, affliction, and sorrow. |
| 40 | Mampidina fanamavoana amin’ ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana; | He poureth contempt upon princes, and causeth them to wander in the wilderness, where there is no way. |
| 41 | Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy, Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany. | Yet setteth he the poor on high from affliction, and maketh him families like a flock. |
| 42 | Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra. | The righteous shall see it, and rejoice: and all iniquity shall stop her mouth. |
| 43 | Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon’ i Jehovah. | Whoso is wise, and will observe these things, even they shall understand the lovingkindness of the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL