시편 106편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 48절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony. | Praise ye the Lord. O give thanks unto the Lord; for he is good: for his mercy endureth for ever. |
| 2 | Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon’ i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra? | Who can utter the mighty acts of the Lord? who can shew forth all his praise? |
| 3 | Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva. | Blessed are they that keep judgment, and he that doeth righteousness at all times. |
| 4 | Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin’ ny famonjenao aho, | Remember me, O Lord, with the favour that thou bearest unto thy people: O visit me with thy salvation; |
| 5 | Hahitako ny soa azon’ ny voafidinao, Hifaliako amin’ ny fifalian’ ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin’ ny lovanao. | That I may see the good of thy chosen, that I may rejoice in the gladness of thy nation, that I may glory with thine inheritance. |
| 6 | Efa nanota izahay mbamin’ ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay. | We have sinned with our fathers, we have committed iniquity, we have done wickedly. |
| 7 | Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan’ ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron’ ny Ranomasina Mena | Our fathers understood not thy wonders in Egypt; they remembered not the multitude of thy mercies; but provoked him at the sea, even at the Red sea. |
| 8 | Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe. | Nevertheless he saved them for his name’s sake, that he might make his mighty power to be known. |
| 9 | Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy, | He rebuked the Red sea also, and it was dried up: so he led them through the depths, as through the wilderness. |
| 10 | Namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalo. | And he saved them from the hand of him that hated them, and redeemed them from the hand of the enemy. |
| 11 | Dia nosaronan’ ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza. | And the waters covered their enemies: there was not one of them left. |
| 12 | Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy. | Then believed they his words; they sang his praise. |
| 13 | Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony, | They soon forgat his works; they waited not for his counsel: |
| 14 | Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an’ Andriamanitra tany an-tany foana. | But lusted exceedingly in the wilderness, and tempted God in the desert. |
| 15 | Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy. | And he gave them their request; but sent leanness into their soul. |
| 16 | Dia nialona an’ i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an’ i Arona, olo-masin’ i Jehovah. | They envied Moses also in the camp, and Aaron the saint of the Lord. |
| 17 | Nisokatra ny tany, dia nitelina an’ i Datana Ka nanarona ny antokon’ i Abìrama. | The earth opened and swallowed up Dathan, and covered the company of Abiram. |
| 18 | Dia nisy afo nirehitra tamin’ ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy. | And a fire was kindled in their company; the flame burned up the wicked. |
| 19 | Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan’ ny sarin-javatra an-idina. | They made a calf in Horeb, and worshipped the molten image. |
| 20 | Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin’ ny omby homana ahitra. | Thus they changed their glory into the similitude of an ox that eateth grass. |
| 21 | Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta, | They forgat God their saviour, which had done great things in Egypt; |
| 22 | Dia fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama sy zava-mahatahotra teo amin’ ny Ranomasina Mena. | Wondrous works in the land of Ham, and terrible things by the Red sea. |
| 23 | Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin’ ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy. | Therefore he said that he would destroy them, had not Moses his chosen stood before him in the breach, to turn away his wrath, lest he should destroy them. |
| 24 | Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny, | Yea, they despised the pleasant land, they believed not his word: |
| 25 | Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon’ i Jehovah. | But murmured in their tents, and hearkened not unto the voice of the Lord. |
| 26 | Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra | Therefore he lifted up his hand against them, to overthrow them in the wilderness: |
| 27 | Ary ny taranany kosa any amin’ ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin’ ny tany maro Izy. | To overthrow their seed also among the nations, and to scatter them in the lands. |
| 28 | Nikambana tamin’ i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an’ ny maty, | They joined themselves also unto Baal–peor, and ate the sacrifices of the dead. |
| 29 | Dia nampahatezitra an’ i Jehovah tamin’ ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana. | Thus they provoked him to anger with their inventions: and the plague brake in upon them. |
| 30 | Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana. | Then stood up Phinehas, and executed judgment: and so the plague was stayed. |
| 31 | Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin’ ny taranaka fara mandimby mandrakizay. | And that was counted unto him for righteousness unto all generations for evermore. |
| 32 | Nampahatezitra an’ i Jehovah teo anilan’ ny ranon’ i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an’ i Mosesy noho ny nataon’ ireo; | They angered him also at the waters of strife, so that it went ill with Moses for their sakes: |
| 33 | Fa niodina tamin’ ny Fanahin’ i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy. | Because they provoked his spirit, so that he spake unadvisedly with his lips. |
| 34 | Tsy naringany ny firenena Izay nasain’ i Jehovah naringany; | They did not destroy the nations, concerning whom the Lord commanded them: |
| 35 | Fa nifangaro tamin’ ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony, | But were mingled among the heathen, and learned their works. |
| 36 | Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany. | And they served their idols: which were a snare unto them. |
| 37 | Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an’ ny demonia ireo; | Yea, they sacrificed their sons and their daughters unto devils, |
| 38 | Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran’ ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an’ ny sampin’ i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin’ ny rà izy. | And shed innocent blood, even the blood of their sons and of their daughters, whom they sacrificed unto the idols of Canaan: and the land was polluted with blood. |
| 39 | Ary naloto tamin’ ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony. | Thus were they defiled with their own works, and went a whoring with their own inventions. |
| 40 | Dia nirehitra tamin’ ny olony ny fahatezeran’ i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany. | Therefore was the wrath of the Lord kindled against his people, insomuch that he abhorred his own inheritance. |
| 41 | Dia nanolotra azy teo an-tànan’ ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy. | And he gave them into the hand of the heathen; and they that hated them ruled over them. |
| 42 | Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin’ ny tànany izy. | Their enemies also oppressed them, and they were brought into subjection under their hand. |
| 43 | Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony. | Many times did he deliver them; but they provoked him with their counsel, and were brought low for their iniquity. |
| 44 | Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany; | Nevertheless he regarded their affliction, when he heard their cry: |
| 45 | Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben’ ny famindram-pony. | And he remembered for them his covenant, and repented according to the multitude of his mercies. |
| 46 | Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin’ izay rehetra namabo azy. | He made them also to be pitied of all those that carried them captives. |
| 47 | Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna Sy hifalianay amin’ ny fiderana Anao. | Save us, O Lord our God, and gather us from among the heathen, to give thanks unto thy holy name, and to triumph in thy praise. |
| 48 | Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia. | Blessed be the Lord God of Israel from everlasting to everlasting: and let all the people say, Amen. Praise ye the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL