시편 105편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 45절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin’ ny firenena ny asany. | O give thanks unto the Lord; call upon his name: make known his deeds among the people. |
| 2 | Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony. | Sing unto him, sing psalms unto him: talk ye of all his wondrous works. |
| 3 | Ataovy ho reharehanareo ny anarany masìna; Aoka hifaly ny fon’ izay mitady an’ i Jehovah. | Glory ye in his holy name: let the heart of them rejoice that seek the Lord. |
| 4 | Mitadiava an’ i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany. | Seek the Lord, and his strength: seek his face evermore. |
| 5 | Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ ny vavany, | Remember his marvellous works that he hath done; his wonders, and the judgments of his mouth; |
| 6 | Ry taranak’ i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak’ i Jakoba. | O ye seed of Abraham his servant, ye children of Jacob his chosen. |
| 7 | Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany. | He is the Lord our God: his judgments are in all the earth. |
| 8 | Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an’ ny taranaka arivo mandimby, | He hath remembered his covenant for ever, the word which he commanded to a thousand generations. |
| 9 | Eny, ilay nataony tamin’ i Abrahama, Sy ny fianianany tamin’ Isaka; | Which covenant he made with Abraham, and his oath unto Isaac; |
| 10 | Izay naoriny ho lalana ho an’ i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an’ Isiraely, | And confirmed the same unto Jacob for a law, and to Israel for an everlasting covenant: |
| 11 | Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin’ ny famolaina, | Saying, Unto thee will I give the land of Canaan, the lot of your inheritance: |
| 12 | Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao, | When they were but a few men in number; yea, very few, and strangers in it. |
| 13 | Ary nifindrafindra tany amin’ ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ ny firenen-kafa, | When they went from one nation to another, from one kingdom to another people; |
| 14 | Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ ireo hoe: | He suffered no man to do them wrong: yea, he reproved kings for their sakes; |
| 15 | Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko. | Saying, Touch not mine anointed, and do my prophets no harm. |
| 16 | Dia niantso ny mosary ho amin’ ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan’ aina; | Moreover he called for a famine upon the land: he brake the whole staff of bread. |
| 17 | Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo; | He sent a man before them, even Joseph, who was sold for a servant: |
| 18 | Nampijaliny tamin’ ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy. | Whose feet they hurt with fetters: he was laid in iron: |
| 19 | Mandra-pahatongan’ ny fotoana hahatanterahan’ ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin’ i Jehovah. | Until the time that his word came: the word of the Lord tried him. |
| 20 | Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy. | The king sent and loosed him; even the ruler of the people, and let him go free. |
| 21 | Nanao azy ho tompon’ ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra, | He made him lord of his house, and ruler of all his substance: |
| 22 | Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony. | To bind his princes at his pleasure; and teach his senators wisdom. |
| 23 | Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin’ ny tanin’ i Hama. | Israel also came into Egypt; and Jacob sojourned in the land of Ham. |
| 24 | Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony. | And he increased his people greatly; and made them stronger than their enemies. |
| 25 | Nampiova ny fon’ ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony. | He turned their heart to hate his people, to deal subtilly with his servants. |
| 26 | Naniraka an’ i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy. | He sent Moses his servant; and Aaron whom he had chosen. |
| 27 | Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama. | They shewed his signs among them, and wonders in the land of Ham. |
| 28 | Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo. | He sent darkness, and made it dark; and they rebelled not against his word. |
| 29 | Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony. | He turned their waters into blood, and slew their fish. |
| 30 | Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian’ ny mpanjakany aza. | Their land brought forth frogs in abundance, in the chambers of their kings. |
| 31 | Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka Sy ny moka teny amin’ ny faritaniny rehetra. | He spake, and there came divers sorts of flies, and lice in all their coasts. |
| 32 | Nahatonga havandra ho solon’ ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin’ ny taniny. | He gave them hail for rain, and flaming fire in their land. |
| 33 | Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin’ ny taniny. | He smote their vines also and their fig trees; and brake the trees of their coasts. |
| 34 | Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa; | He spake, and the locusts came, and caterpillers, and that without number, |
| 35 | Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin’ ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny. | And did eat up all the herbs in their land, and devoured the fruit of their ground. |
| 36 | Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny taniny Izy, Dia ny voalohan’ ainy rehetra. | He smote also all the firstborn in their land, the chief of all their strength. |
| 37 | Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin’ ny fireneny. | He brought them forth also with silver and gold: and there was not one feeble person among their tribes. |
| 38 | Faly Egypta tamin’ ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo. | Egypt was glad when they departed: for the fear of them fell upon them. |
| 39 | Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina. | He spread a cloud for a covering; and fire to give light in the night. |
| 40 | Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy. | The people asked, and he brought quails, and satisfied them with the bread of heaven. |
| 41 | Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin’ ny tany maina ho renirano. | He opened the rock, and the waters gushed out; they ran in the dry places like a river. |
| 42 | Fa nahatsiaro ny teniny masìna Sy Abrahama mpanompony Izy, | For he remembered his holy promise, and Abraham his servant. |
| 43 | Dia nitondra ny olony nivoaka tamin’ ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin’ ny fihobiana; | And he brought forth his people with joy, and his chosen with gladness: |
| 44 | Ka dia nanome azy ny tanin’ ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan’ ny firenena maro ireny, | And gave them the lands of the heathen: and they inherited the labour of the people; |
| 45 | Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia. | That they might observe his statutes, and keep his laws. Praise ye the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL