시편 104편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 35절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao, | Bless the Lord, O my soul. O Lord my God, thou art very great; thou art clothed with honour and majesty. |
| 2 | Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay, | Who coverest thyself with light as with a garment: who stretchest out the heavens like a curtain: |
| 3 | Ary mametraka ny rairain-drihan’ ny tranony amin’ ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin’ ny elatry ny rivotra, | Who layeth the beams of his chambers in the waters: who maketh the clouds his chariot: who walketh upon the wings of the wind: |
| 4 | Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony. | Who maketh his angels spirits; his ministers a flaming fire: |
| 5 | Nanorina ny tany tambonin’ ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria. | Who laid the foundations of the earth, that it should not be removed for ever. |
| 6 | Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny. | Thou coveredst it with the deep as with a garment: the waters stood above the mountains. |
| 7 | Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon’ ny kotrokoranao dia nirifatra izy | At thy rebuke they fled; at the voice of thy thunder they hasted away. |
| 8 | Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin’ izay namboarinao hitoerany. | They go up by the mountains; they go down by the valleys unto the place which thou hast founded for them. |
| 9 | Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany. | Thou hast set a bound that they may not pass over; that they turn not again to cover the earth. |
| 10 | Mampandeha loharano eny amin’ ny lohasaha Izy; Eny anelanelan’ ny tendrombohitra no alehan’ ireny, | He sendeth the springs into the valleys, which run among the hills. |
| 11 | Ka isotroan’ ny bibi-dia rehetra, Sy analan’ ny boriki-dia ny hetahetany; | They give drink to every beast of the field: the wild asses quench their thirst. |
| 12 | Eo amboniny no itoeran’ ny voro-manidina; Ary eo amin’ ny ran-tsan-kazo no anenoany. | By them shall the fowls of the heaven have their habitation, which sing among the branches. |
| 13 | Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin’ ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany. | He watereth the hills from his chambers: the earth is satisfied with the fruit of thy works. |
| 14 | Mampaniry ahitra ho an’ ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin’ ny tany. | He causeth the grass to grow for the cattle, and herb for the service of man: that he may bring forth food out of the earth; |
| 15 | Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain’ ny olona. | And wine that maketh glad the heart of man, and oil to make his face to shine, and bread which strengtheneth man’s heart. |
| 16 | Voky ny hazon’ i Jehovah, Dia ny sederan’ i Libanona, izay namboleny; | The trees of the Lord are full of sap; the cedars of Lebanon, which he hath planted; |
| 17 | Izay anaovan’ ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin’ ny kypreso no anaovany ny tranony. | Where the birds make their nests: as for the stork, the fir trees are her house. |
| 18 | Ny tendrombohitra avo dia ho an’ ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an’ ny hyraka. | The high hills are a refuge for the wild goats; and the rocks for the conies. |
| 19 | Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany. | He appointed the moon for seasons: the sun knoweth his going down. |
| 20 | Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an’ ala; | Thou makest darkness, and it is night: wherein all the beasts of the forest do creep forth. |
| 21 | Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin’ Andriamanitra. | The young lions roar after their prey, and seek their meat from God. |
| 22 | Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany. | The sun ariseth, they gather themselves together, and lay them down in their dens. |
| 23 | Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin’ ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan’ ny andro. | Man goeth forth unto his work and to his labour until the evening. |
| 24 | Endrey ny hamaroan’ ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany. | O Lord, how manifold are thy works! in wisdom hast thou made them all: the earth is full of thy riches. |
| 25 | Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe. | So is this great and wide sea, wherein are things creeping innumerable, both small and great beasts. |
| 26 | Any no alehan’ ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any. | There go the ships: there is that leviathan, whom thou hast made to play therein. |
| 27 | Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin’ ny fotoany. | These wait all upon thee; that thou mayest give them their meat in due season. |
| 28 | Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy; | That thou givest them they gather: thou openest thine hand, they are filled with good. |
| 29 | Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin’ ny vovoka nanalana azy, | Thou hidest thy face, they are troubled: thou takest away their breath, they die, and return to their dust. |
| 30 | Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin’ ny tany Hianao. | Thou sendest forth thy spirit, they are created: and thou renewest the face of the earth. |
| 31 | Ho mandrakizay anie ny voninahitr’ i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin’ ny asany. | The glory of the Lord shall endure for ever: the Lord shall rejoice in his works. |
| 32 | Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren’ ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka. | He looketh on the earth, and it trembleth: he toucheth the hills, and they smoke. |
| 33 | Hihira ho an’ i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an’ Andriamanitro aho, raha mbola miaina. | I will sing unto the Lord as long as I live: I will sing praise to my God while I have my being. |
| 34 | Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin’ i Jehovah. | My meditation of him shall be sweet: I will be glad in the Lord. |
| 35 | Ho lany ringana tsy ho etỳ amin’ ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia. | Let the sinners be consumed out of the earth, and let the wicked be no more. Bless thou the Lord, O my soul. Praise ye the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL