시편 103편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 22절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masìna. | Bless the Lord, O my soul: and all that is within me, bless his holy name. |
| 2 | Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, | Bless the Lord, O my soul, and forget not all his benefits: |
| 3 | Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, | Who forgiveth all thine iniquities; who healeth all thy diseases; |
| 4 | Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao, | Who redeemeth thy life from destruction; who crowneth thee with lovingkindness and tender mercies; |
| 5 | Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ ny voromahery. | Who satisfieth thy mouth with good things; so that thy youth is renewed like the eagle’s. |
| 6 | Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin’ izay rehetra ampahorina. | The Lord executeth righteousness and judgment for all that are oppressed. |
| 7 | Efa nampahafantatra an’ i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak’ Isiraely nampahafantariny ny asany. | He made known his ways unto Moses, his acts unto the children of Israel. |
| 8 | Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po. | The Lord is merciful and gracious, slow to anger, and plenteous in mercy. |
| 9 | Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay. | He will not always chide: neither will he keep his anger for ever. |
| 10 | Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika. | He hath not dealt with us after our sins; nor rewarded us according to our iniquities. |
| 11 | Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra ambonin’ ny tany No haben’ ny famindram-pony amin’ izay matahotra Azy. | For as the heaven is high above the earth, so great is his mercy toward them that fear him. |
| 12 | Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. | As far as the east is from the west, so far hath he removed our transgressions from us. |
| 13 | Tahaka ny fiantràn’ ny ray ny zanany No fiantran’ i Jehovah izay matahotra Azy; | Like as a father pitieth his children, so the Lord pitieth them that fear him. |
| 14 | Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika. | For he knoweth our frame; he remembereth that we are dust. |
| 15 | Tahaka ny ahitra ny andron’ ny zanak’ olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, | As for man, his days are as grass: as a flower of the field, so he flourisheth. |
| 16 | Satria tsofin’ ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany. | For the wind passeth over it, and it is gone; and the place thereof shall know it no more. |
| 17 | Fa ny famindram-pon’ i Jehovah dia hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’ izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin’ ny taranaka. | But the mercy of the Lord is from everlasting to everlasting upon them that fear him, and his righteousness unto children’s children; |
| 18 | Dia amin’ izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny. | To such as keep his covenant, and to those that remember his commandments to do them. |
| 19 | Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao. | The Lord hath prepared his throne in the heavens; and his kingdom ruleth over all. |
| 20 | Misaora an’ i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon’ ny teniny. | Bless the Lord, ye his angels, that excel in strength, that do his commandments, hearkening unto the voice of his word. |
| 21 | Misaora an’ i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony. | Bless ye the Lord, all ye his hosts; ye ministers of his, that do his pleasure. |
| 22 | Misaora an’ i Jehovah, ny asany rehetra eran’ ny fanjakany; Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko. | Bless the Lord, all his works in all places of his dominion: bless the Lord, O my soul. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL