욥기 42장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 17절
- 1 Ary Joba dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe:
- 2 Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao.
- 3 Iza no mahatakona ny fisainanao amin’ ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.
- 4 Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro.
- 5 Fandrenesan’ ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;
- 6 Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin’ ny vovoka sy ny lavenona aho.
- 7 Ary rehefa voalazan’ i Jehovah tamin’ i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin’ i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan’ i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
- 8 Koa ankehitriny makà vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin’ i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan’ i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
- 9 Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian’ i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an’ i Joba.
- 10 Ary Jehovah nampody ny fiadanan’ i Joba, raha nivavaka ho an’ ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
- 11 Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran’ i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.
- 12 Ary Jehovah nitahy ny niafaran’ i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman’ osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.
- 13 Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy,
- 14 ka ny anaran’ ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran’ ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran’ ny faravavy Kerena-hapoka.
- 15 Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin’ i Joba hita tany amin’ ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova tamin’ ny anadahiny izy.
- 16 Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian’ izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin’ ny zafin-dohaliny aza.
- 17 Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗