로그인

민수기 23장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 30절

  1. 1 Ary hoy Balama tamin’ i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito.
  2. 2 Dia narahin’ i Balaka izay efa nolazain’ i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara.
  3. 3 Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Mitoera eto anilan’ ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin’ ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.
  4. 4 Ary Andriamanitra dia nihaona tamin’ i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara aho.
  5. 5 Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan’ i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin’ i Balaka, ary izany no holazainao.
  6. 6 Dia niverina tany amin’ i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan’ ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin’ i Moaba rehetra.
  7. 7 Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan’ i Moaba nampaka ahy avy tany amin’ ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.
  8. 8 Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin’ Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin’ i Jehovah?
  9. 9 Fa eto an-tampon’ ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin’ ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan’ ny jentilisa.
  10. 10 Iza no mahisa ny vovok’ i Jakoba, na ny isan’ ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan’ ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!
  11. 11 Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.
  12. 12 Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon’ i Jehovah eto am-bavako?
  13. 13 Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin’ ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozòny ho ahy ao izy.
  14. 14 Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon’ i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara.
  15. 15 Dia hoy izy tamin’ i Balaka: Mitoera eto anilan’ ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’ i Jehovah.
  16. 16 Ary Jehovah nihaona tamin’ i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin’ i Balaka ary izany no holazainao.
  17. 17 Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan’ ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin’ i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain’ i Jehovah?
  18. 18 Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak’ i Zipora;
  19. 19 Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’ olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
  20. 20 Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.
  21. 21 Tsy mijery faharatsiana eo amin’ i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin’ ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin’ andriana no re eo aminy.
  22. 22 Nentin’ Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga,
  23. 23 Fa tsy misy fisikidianana eo amin’ i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin’ Isiraely. Fa amin’ ny fotoana no hilazana amin’ i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon’ i Jehovah.
  24. 24 Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran’ ny voavono.
  25. 25 Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory
  26. 26 Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin’ i Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain’ i Jehovah, izany no hataoko?
  27. 27 Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Andeha ho entiko any amin’ izay tany hafa ianao; angamba ho sitrak’ Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.
  28. 28 Ary Balama dia nentin’ i Balaka ho ao an-tampon’ i Peora, izay manatrika ny efitra.
  29. 29 Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito.
  30. 30 Ary Balaka dia nanao araka izay efa nolazain’ i Balama ka nanatitra vantotr’ ombilahy, sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗