민수기 22장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 41절
- 1 Ary ny Zanak’ Isiraely nifindra nitoby tao Arbota-moaba, tany an-dafin’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
- 2 Ary Balaka, zanak’ i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon’ ny Isiraely tamin’ ny Amorita.
- 3 Dia raiki-tahotra indrindra ny Moabita noho ny hamaroan’ ny olona; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak’ Isiraely.
- 4 Dia hoy izy tamin’ ny loholon’ ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto tahaka ny firaokan’ ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. Ary Balaka, zanak’ i Zipora, no mpanjakan’ i Moaba tamin’ izany andro izany.
- 5 Dia naniraka olona izy ho any amin’ i Balama, zanak’ i Beora, any Petora, izay eo amoron’ ny Ony, dia eo amin’ ny tanin’ ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;
- 6 koa ankehitriny mba mankanesa atỳ, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin’ ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona.
- 7 Dia nandeha ny loholon’ ny Moabita sy ny loholon’ ny Midianita nitondra ny saran’ ny fankatovana teny an-tànany; dia nankany amin’ i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin’ i Balaka.
- 8 Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain’ i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin’ i Balama ireo andriandahin’ i Moaba.
- 9 Ary Andriamanitra nankao amin’ i Balama ka nanao hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao ireo?
- 10 Dia hoy Balama tamin’ Andriamanitra: Balaka, zanak’ i Zipora, mpanjakan’ i Moaba, no efa naniraka tamiko hoe:
- 11 Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny, ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.
- 12 Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Balama: Aza mandeha miaraka aminy, na manozona izany firenena izany, fa voatahy izy.
- 13 Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin’ ireo andriandahin’ i Balaka hoe: Andeha mody any amin’ ny taninareo; fa tsy avelan’ i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.
- 14 Ary niainga ireo andriandahin’ i Moaba, dia tonga tany amin i Balaka ka nanao hoe: Tsy nety nandeha niaraka taminay Balama.
- 15 Ary Balaka naniraka andriandahy maro sady malaza noho ny teo indray.
- 16 Dia tonga tao amin’ i Balama ireny ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Balaka, zanak’ i Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao atỳ amiko;
- 17 fa hanome anao voninahitra lehibe indrindra aho, ary izay rehetra holazainao amiko dia hataoko avokoa; koa masìna ianao, mankanesa atỳ, ozòny ho ahy ity firenena ity.
- 18 Fa namaly Balama ka nanao tamin’ ny mpanompon’ i Balaka hoe: Na dia homen’ i Balaka volafotsy sy volemana eran’ ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin’ i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.
- 19 Nefa, na dia izany aza, mitoera atỳ ihany koa ianareo anio alina, mba ho fantatro izay mbola holazain’ i Jehovah amiko koa.
- 20 Ary nony alina dia nankao amin’ i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan’ ireo olona ireo, dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
- 21 Dia nifoha maraina koa Balama ka nanisy lasely ny borikiny, dia nandeha niaraka tamin’ ireo andriandahin’ i Moaba.
- 22 Ary nirehitra taminy ny fahatezeran’ Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin’ i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy.
- 23 Dia hitan’ ny boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin’ i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tànany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin’ ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin’ ny lalana.
- 24 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nijanona teo an-kandemponana tanelanelan’ ny tanim-boaloboka, izay nisy fefy teo an-daniny roa.
- 25 Ary ny boriky nahita Ilay Anjelin’ i Jehovah, dia niampify teo amin’ ny fefy ka nanery ny tongotr’ i Balama tamin’ ny fefy; dia nikapoka azy indray izy.
- 26 Ary mbola nandroso Ilay Anjelin’ i Jehovah ka nijanona teo amin’ ny fitoerana èty, izay tsy nisy lalana hiviliana, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.
- 27 Ary ny boriky nahita ilay Anjelin’ i Jehovah, dia nandry teo ambanin’ i Balama; ary nirehitra ny fahatezeran’ i Balama ka nikapoka ny boriky tamin’ ny tehina izy.
- 28 Dia nosokafan’ i Jehovah ny vavan’ ny boriky, ka hoy ny boriky tamin’ i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?
- 29 Dia hoy Balama tamin’ ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao; enga anie ka misy sabatra etỳ an-tanako, dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.
- 30 Ary hoy ny boriky tamin’ i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy ka mandraka androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy: Tsia.
- 31 Dia nampahiratin’ i Jehovah ny mason’ i Balama hahita Ilay Anjelin’ i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.
- 32 Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao.
- 33 Koa nahita Ahy ny boriky ka nivily Ahy intelo izao; raha tsy nivily Ahy izy, dia ianao no nataoko maty mihitsy toy izay, fa izy kosa no novelomiko.
- 34 Dia hoy Balama tamin’ Ilay Anjelin’ i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.
- 35 Fa hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Balama: Mandehana ihany miaraka amin’ ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin’ ireo andriandahin’ i Balaka.
- 36 Ary nony ren’ i Balaka fa tonga Balama, dia nivoaka izy mba hitsena azy teo amin’ ny Tanànan’ i Moaba, teo amin’ ny fari-tanin’ i Arnona, izay eo amin’ ny sisin’ ny fari-tany.
- 37 Ary hoy Balaka tamin’ i Balama: Tsy naniraka dia naniraka tany aminao va aho nampaka anao;? Ka nahoana no tsy nankaty amiko ianao? tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra anao?
- 38 Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa mahazo milaza teny akory va aho? ny teny izay hataon’ Andriamanitra ao am-bavako, dia izany no holazaiko.
- 39 Dia nandeha Balama niaraka tamin’ i Balaka, ka nankany Kinata-hozota izy roa lahy.
- 40 Ary Balaka namono omby sy ondry aman’ osy hatao fanatitra ka nampanatitra ho an’ i Balama sy ny andriandahy izay teo aminy.
- 41 Ary nony maraina Balama dia nalain’ i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin’ ny sisin’ ny tobiny.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗