민수기 24장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 25절
- 1 Ary rehefa hitan’ i Balama fa sitrak’ i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.
- 2 Dia natopin’ i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin’ Andriamanitra tonga tamin’ i Balama.
- 3 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’ i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony
- 4 Izay mandre ny tenin’ Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin’ ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
- 5 Endrey ny hatsaran’ ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!
- 6 Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron’ ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’ i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
- 7 Hisy rano mandeha avy eo amin’ ny sininy, ary ny taranany ho any amoron’ ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.
- 8 Nentin’ Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin’ ny zana-tsipìkany.
- 9 Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!
- 10 Dia nirehitra tamin’ i Balama ny fahatezeran’ i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin’ i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.
- 11 Koa ankehitriny, mandosira ho any amin’ ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.
- 12 Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin’ ny irakao izay nirahinao tamiko va aho ka nanao hoe:
- 13 Na dia homen’ i Balaka volafotsy sy volamena eran’ ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin’ i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin’ ny saiko; izay holazain’ i Jehovah ihany no holazaiko?
- 14 Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin’ ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin’ izay hataon’ ity firenena ity amin’ ny vahoakanao any am-parany.
- 15 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’ i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony;
- 16 Izay mandre ny tenin’ Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan’ ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin’ ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
- 17 Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin’ i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin’ Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin’ i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
- 18 Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery.
- 19 Ary avy amin’ i Jakoba no isehoan’ Izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.
- 20 Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin’ ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no hiafarany.
- 21 Ary nahita ny Kenita izy, dia nanao oha-teny hoe: Mafy orina ny fonenanao, ary atao ao amin’ ny vatolampy ny akaninao.
- 22 Kanefa ho ringana Kaina, alohan’ ny hamaboan’ i Asyra anao.
- 23 Dia nanao oha-teny koa izy ka nilaza hoe: Indrisy! iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra?
- 24 Ary hisy sambo avy any amin’ ny tany Kitima, dia hampietry an’ i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana no hiafarany.
- 25 Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin’ ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin’ izay nalehany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗