마가복음 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마가복음 (Mark) · 41절
- 1 Ary nampianatra teo amoron’ ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin’ ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina.
- 2 Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ ny fanoharana Izy ka nilaza tamin’ ny fampianarany azy hoe:
- 3 Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy.
- 4 Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany.
- 5 Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.
- 6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
- 7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
- 8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
- 9 Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
- 10 Ary raha tao amin’ ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin’ ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy.
- 11 Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra; fa amin’ ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ ny fanoharana;
- 12 mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony.
- 13 Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?
- 14 Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
- 15 Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin’ izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.
- 16 Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin’ ny hafaliana;
- 17 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’ izay izy.
- 18 Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin’ ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny,
- 19 fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.
- 20 Ary ireto no ilay voafafy teny amin’ ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
- 21 Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan’ ny vata famarana, na hatao ao ambanin’ ny farafara? Tsy hatao amin’ ny fanaovan-jiro va izy?
- 22 Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.
- 23 Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
- 24 Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.
- 25 Fa izay manana no homena; ary ny amin’ ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
- 26 Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan’ Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin’ ny tany
- 27 ka matory sy mahatsiaro isan’ alina sy isan’ andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny
- 28 Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.
- 29 Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin’ izay, fa efa tonga ny fararano.
- 30 Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan’ Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?
- 31 Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin’ ny tany;
- 32 Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon’ ny voro-manidina itoerana ny alokalony.
- 33 Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina.
- 34 Ary raha tsy tamin’ ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin’ ny mangingina no nilazany tamin’ ny mpianany ny hevitr’ ireo rehetra ireo.
- 35 Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita.
- 36 Ary rehefa nampodin’ ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin’ io sambokely io tamin’ izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.
- 37 Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran’ ny alon-drano ny sambokely ka nila ho feno rano.
- 38 Ary Jesosy natory teo am-bodin’ ny sambokely tambonin’ ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?
- 39 Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ ny ranomasina hoe: Mangìna, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.
- 40 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?
- 41 Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗